Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Fakam-Panahy

    I Satana, ilay filohan’ny mpamitaka, dia miseho ho toy ny anjelim-pahazavana, ka mankeo amin’ny tanora miaraka amin’ny fakam-panahiny feno hatsarana mamitaka ary mahavita ny mandresy lahatra azy ireo, tsikelikely, hiala amin’ny lalan’ny adidy. Voalaza ho mpiampanga izy, mpamitaka, mpandainga, mpampijaly ary mpamono. “Izay manota dia avy amin’ny devoly.” Ny fandikan-dalàna rehetra dia mahatonga fanamelohana ho an’ny fanahy, ary miteraka ny tsy fankasitrahan’Andriamanitra. Fantatr’Andriamanitra ny eritreritry ny fo. Rehefa kolokoloina ny eritreritra maloto, dia tsy mila avoaka amin’ny teny na tanterahina amin’ny fihetsika intsony izany na tanterahina amin’ny atao ho ota, fa efa mahatonga fanamelohana ho an’ny fanahy. Nolotoina ny fahadiovany ary nandresy ilay mpaka fanahy. - MYP 429.3.HAT 375.3

    Alaim-panahy ny olona tsirairay rehefa avelany hitarika sy hisarika azy ny filàny. Mitodika miala amin’ny lalan’ny hatsaran-toetra sy ny tena tsara izy amin’ny fanarahany ny fironany. Raha nanana fahadiovam-pitondran-tena ny tanora dia tsy ho nisy vokany mihitsy na dia ny fakam-panahy mahery vaika indrindra aza. I Satana no maka fanahy anao, fa ianao ihany no misafidy ny hilefitra amin’izany. Ireo hery rehetra ananan’i Satana dia tsy afaka hanery ireo alaim-panahy handika lalàna. Tsy misy fialan-tsiny ho an’ny fahotana. - MYP 430.1 .HAT 376.1

    Raha ny tanora sasany mandany ny heriny amin’ny zava-poana sy ny hadalana, ny sasany kosa dia mifehy ny sainy, manangona fahalalana, misikina ny fiarovany sy ny fitaovam-piadiany hiatrehana ny adin’ny fiainana, tapa-kevitra ny hahomby. Kanefa tsy hahomby amin’ny fiainany izy, na dia ambony toy inona aza no iakarany, raha tsy mampifantoka ny fitiavany amin’Andriamanitra. Raha hitodika amin’ny Tompo amin’ny fony manontolo izy, mandà ny dokadokan’ireo izay maniry hampihena, na dia kely fotsiny aza, ny finiavany hanao ny tsara, dia hahazo hery sy fahatokiana avy amin’Andriamanitra izy. - MYP 430.2.HAT 376.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents