Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 147 — Ireo Mpamangy tsy Mpivavaka

    Tsy azo antoka ho an’ny Kristianina ny misafidy ny fiarahana amin’ireo izay tsy manana fifandraisana amin’Andriamanitra sy ireo manao izay tsy ankasitrahan’ny Tompo. Kanefa maro ny Kristianina no sahy mandeha amin’ny tany voarara. Maro no manasa ao an-tokantranon’izy ireo fianakaviana izay mankafy zava-poana sy tsy misy dikany ary tsy manaja an’Andriamanitra; ary matetika ny ohatra sy ny hery miasa mangina avy amin’ireny olona tsy mpivavaka ireny dia mamela takaitra mateza ao amin’ny sain’ireo zanaky ny tokantrano. Io hery miasa mangina io dia sahala amin’izay nisy tamin’ny nikambanan’ny Hebreo sy ny Kananita tsy manana Andriamanitra (...) - MYP 432.1.HAT 378.1

    Maro ireo mahatsapa fa tsy maintsy mandefitra kely izy mba hahafaly ny fianakaviany sy ny namana tsy mpivavaka. Koa satria tsy mora mandrakariva ny manisy fetra amin’izany, ny fandeferana kely iray dia mitarika fandeferana hafa, hany ka ireo izay mpanara-dia an’i Kristy taloha dia lasa mifanaraka amin’izao tontolo izao na amin’ny fomba fiainana na amin’ny toetra. Tapaka ny fifandraisany amin’Andriamanitra. Anarana fotsiny sisa no maha-Kristianina azy. Rehefa tonga ny ora fitsapana azy dia hita fa lasa tsy misy fototra intsony ny fanantenany. Nivarotra ny tenany sy ny zanany tamin’ny fahavalo izy. Nanala baraka an’Andriamanitra izy, ary rehefa hivoaka ny valin’ny fitsarana marina nataon’Andriamanitra, dia hijinja izay nafafiny izy. Hiteny aminy i Kristy tahaka ny nitenenany tamin’ny Isiraely taloha: “Kanefa tsy nihaino ny feoko hianareo; koa inona moa izao nataonareo izao?”- ST, 2 Jona 1881. (434). {MYP 432.2}.HAT 378.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents