Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Vokatry ny Tsy Fankatoavana

    Maniry fatratra ny fitiavan’olombelona ny fo, kanefa izany fitiavana izany dia tsy matanjaka tsara, na madio tsara, na sarobidy tokoa hamenoana ny toeran’ny fitiavan’i Jesôsy. Ao amin’ny Mpamonjiny ihany no ahitan’ny vehivavy fahendrena sy tanjaka ary fahasoavana hiatrehana ny fiahiahiana sy ny andraikitra ary ny alahelo eo amin’ny fiainana. Izy no tokony hataony ho heriny sy mpitari-dalana azy. Aoka ny vehivavy hanolotra ny tenany ho an’i Kristy alohan’ny hanolorany ny tenany ho an’olona eto an-tany, ary tsy hiditra amin’ny fifandraisana izay mifanohitra amin’izany. Ireo izay mahita ny tena fahasambarana dia tsy maintsy mahazo ny fitahian’ny lanitra ho eo amin’izay rehetra ananany sy ataony. Tsy fankatoavana an’Andriamanitra no mameno fahoriana ny fo sy tokantrano maro. Ry rahavavy, raha tsy te hanana tokantrano maloka mandrakariva ianao dia aza mikambana amin’izay fahavalon’Andriamanitra. - MYP 440.2.HAT 385.2

    Tokony handre ireo teny ireo ianao amin’ny andro fitsarana, miangavy anao aho mba handanjalanja ny dingana kasainao hatao. Anontanio ny tenanao: “Moa ny vady tsy mpino ve tsy hitarika ny saiko hiala amin’i Jesôsy? Mpitia fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavana an’Andriamanitra va izy; moa tsy hitarika ahy hankafy ny zavatra ankafiziny ve izy?” Ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay dia hantsana sy mikitoantoana. Aza mitondra vesatra fanampiny izay hampitaredretra ny fandrosoanao (...) - MYP 440.3.HAT 386.1

    Tiako ny hampitandrina anao ny amin’ny loza dieny mbola tsy tara loatra. Mihaino teny malefaka sy mahafinaritra ianao, ka voatarika hino fa handeha tsara ny zavatra rehetra; kanefa tsy voavakinao ny antony manosika azy hiteny izany teny manodoka izany. Tsy afaka ny hahita ny halalin’ny faharatsiana miafina ao am-po ianao. Tsy afaka mijery ny ao ambadiky ny sehatra ianao, ary hanavaka ireo fandrika izay napetrak’i Satana hamandrihana ny fanahinao. Te hitarika anao izy hanaraka ny lalana izay hitondra anao mora foana ho any amin’ny fakam-panahy. Aza manome tombon-dalana azy na dia kely aza. Raha mbola miasa amin’ny sain’ny mpanompony Andriamanitra, i Satana kosa dia miasa amin’ny alalan’ireo zanaky ny tsy fankatoavana. Tsy misy fifanarahana eo amin’i Kristy sy i Beliala. Tsy afaka ny hifandrindra izy roa. Ny mifandray amin’ny tsy mpino dia mametraka ny tenanao eo amin’ny tanin’i Satana. Mampalahelo ny fanahin’Andriamanitra ianao ary very ny fiarovany. Azonao atao ve ny miaritra ireo fanoherana mahatsiravina ireo amin’ny ady ataonao ho an’ny fiainana mandrakizay? - MYP 441.1.HAT 386.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents