Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fanapahana ny Fanekena

    Mety hilaza ianao hoe: “Efa nanome toky aho, hanapaka izany indray ve aho ankehitriny?” Izao no valinteniko, raha nanao fanomezan-toky mifanohitra amin’ny Soratra Masina ianao, tapaho amin’ny fomba rehetra sady tsy misy hataka andro izany ka mibebaha amin’Andriamanitra amim-panetren-tena noho ny tsirim-pitiavana nitarika anao hanao izany fanomezan-toky maimaika izany. Tsara kokoa ny manapaka izany fanomezan-toky izany, amim-pahatahorana an’Andriamanitra, toy izay mihazona izany ka manala baraka ilay Mpanao anao. - MYP 441.2.HAT 387.1

    Tsarovy fa misy ny lanitra tokony ho azonao ary misy ny lalana midanadana mankany amin’ny fahaverezana tokony hialanao. Izay tian’Andriamanitra holazaina no lazainy. Rehefa norarany tsy hihinana ny voa avy amin’ny hazon’ny fahalalana ireo ray aman-drenintsika voalohany, ny tsy fankatoavan’izy ireo dia nanokatra ny vavahady hanafotra amin’ny ozona ho an’izao tontolo izao. Raha mandeha mifanohitra amin’Andriamanitra isika dia handeha hifanohitra amintsika Izy. Ny hany ahazoantsika antoka dia ny mankatò ny fitakiany rehetra, na inona na inona vidiny. Ny zava-drehetra dia miorina amin’ny fitiavana tsy manam-petra sy fahendrena. - TFC, b. 5, tt. 361-365. {MYP 442.1 }.HAT 387.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents