Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 151 — Ilaina ny Torohevitra sy ny Tari-dalana

    Amin’izao andron’ny loza mananontanona sy ny fahasimban-toetra izao dia maro ireo fihaikana sy fakam-panahy izay mihatra amin’ny tanora. Maro ireo izay mamily ny sambony ao amin’ny seranana mampidi-doza. Mila mpanamory izy ireo; kanefa sadaikatra ny hanaiky ilay fanampiana tena ilaina, mahatsapa ny tenany fa mahavita mamily ny sambony irery, ary tsy mahatsikaritra fa efa hidona amin’ny vato miafina izay mety hiteraka ny faharendrehan’ny sambon’ny finoana sy ny fahasambaran’izy ireo. Ny resaka fisakaizana sy ny fanambadiana no tena mapivadika ati-doha azy ireo, ary ny tena enta-mavesatra entiny dia ny hanao izany araka izay itiavany azy. Amin’izany, ny fotoana manan-danja indrindra amin’ny fiainan’izy ireo, no ilàny mpanolo-tsaina azo antoka sy mpitari-dalana tsy mety diso. Hahita izany ao anatin’ny tenin’Andriamanitra izy ireo. Raha toa ka tsy mpianatra mahafatra-po amin’izany teny izany izy ireo dia hanao fahadisoana goavana izay hanimba ny fifalian’izy ireo sy ny an’ny hafa mandritra ity fiainana ity ary koa mandritra ny fiainana ho avy. - MYP 443.1.HAT 388.1

    Maro ireo olona manapa-kevitra tampotampoka sy mafy loha. Tsy nihaino ny torohevitra feno fahendrena omen’ny tenin’Andriamanitra izy ireo; tsy niady tamin’ny fitiavan-tena ary tsy nahazo fandresena sarobidy. Ny sainy be hambom-po sy tsy mety milefitra no namily azy ireny hiala amin’ny lalan’ny adidy sy fankatoavana. Manaova jery todika ny fiainanareo lasa, ry namana tanora isany, ary mandiniha amim-pahatokiana eo ambany fahazavan’ny tenin’Andriamanitra ny dia nataonareo. Nandala ireo adidinareo manoloana ny ray aman-dreninareo izay nolazain’ny Baiboly ve ianareo? Naneho hatsaram-panahy sy fitiavana tamin’ilay reninareo izay nikolokolo anareo hatramin’ny fahazazanareo ve ianareo? Noheverinareo ve ireo faniriany, sa nitondra fanaintainana sy alahelo tao am-pony ianareo tamin’ny fanaovana izay sitraponareo sy tianareo hatao? Moa ve ilay fahamarinana izay nekenareo nanamasina ny fonareo, ary nanalefaka sy nampilefitra ny sitraponareo? Raha tsy izany dia manana asa atao ianareo mba hanarenana ireo tsy nety tamin’ny lasa. - MYP 443.2.HAT 388.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents