Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ilay Mpitari-Dalana Tonga Lafatra

    Maneho fenitra tonga lafatra ho an’ny toetra ny Baiboly. Io boky masina io, izay avy amin’ny tsindrimandry nomen’Andriamanitra, ary nosoratan’ny olo-masina, dia mpitari-dalana tonga lafatra manoloana ireo toe-javatra rehetra eo amin’ny fiainana. Asehony mazava sy miavaka tsara ny adidin’ny antitra sy ny adidin’ny tanora. Raha toa ka ataontsika ho mpitari-dalana antsika izy eo amin’ny fiainana, ny fampianarany dia hanandratra ny fanahy. Hanandratra ny saina izy, hampivoatra ny toetra ary hanome fiadanana sy fifaliana ny fo. Kanefa maro ny tanora izay nifidy ny ho mpanoro hevitra sy mpitari-dalana ny tenany manokana, ary hitondra ny fiainany eo am-pelatanany. Mila mandalina bebe kokoa ny fampianaran’ny Baiboly izy ireo. Ao amin’ny pejiny no ahitan’izy ireo ny adidiny manoloana ny ray aman-dreniny sy ny rahalahiny ao amin’ny finoana. Izao no vakin’ny didy fahadimy: “Manajà ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro hianao ao amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao. ” Mamaky ihany koa isika hoe: “Anaka, maneke ny ray sy ny reninareo ao amin'ny Tompo, fa marina izany. ” - MYP 444.1.HAT 389.1

    Ny iray amin’ireo famantarana fa miaina amin’ny andro farany isika dia ny tsy fankatoavan’ny zanaka ny ray aman-dreny, tsy mahay mankasitraka, tsy tia zava-masina. Maro ireo fitsipika sy torohevitra ao amin’ny Baiboly mahakasika ny fanajana ny ray aman-dreny. Mametraka ao an-tsain’ny tanora izy ny momba ireo adidy masin’izy ireo amin’ny fanehoana fitiavana sy fikolokoloana ireo izay nitarika azy ireo nandritra ny fahazazana, fahatanorana hatramin’ny fahalebiazana, ary izay miankina betsaka amin’izy ireo ankehitriny hahazoana fiadanana sy fifaliana. Mazava tsara ny zavatra lazain’ny Baiboly momba izany; kanefa dia tsy noraharahaina mihitsy ny fampianarany. - MYP 444.2.HAT 390.1

    Maro ny lesona tokony hianaran’ny tanora, ary ny manan-danja indrindra amin’izany dia ny mianatra ny mahafantatra ny tenany manokana. Tokony ho fantany tsara ny adidy sy ny andraikiny manoloana ny ray aman-dreniny, ary tokony hanohy hianatra ao amin’ny sekolin’i Kristy hatrany izy mba ho malemy fanahy sy tso-po. Raha tokony ho tia sy hanaja ny ray aman-dreniny izy ireo, dia tokony hanaja koa ny fomba fijerin’ireo olona manana fanandramana betsaka eo amin’ny fiainana izay mifandray aminy any am-piangonana. - MYP 445.1.HAT 390.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents