Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ilaina ny Fieritreretana Madio

    Raha misy lohahevitra tokony hodinihina amim-pahatoniana sy amim-pieritreretana tsara dia ny lohahevitry ny fanambadiana izany. Raha toa ka misy fotoana ilàna ny Baiboly hanoro hevitra dia alohan’ny dingana izay hampikambana olon-droa mandra-pahafaty izany. Kanefa ny fiheverana manjaka dia ny hoe: ny fihetseham-po no tokony ho mpitarika; ary maro ireo olona niredaredam-pitiavana ka nitady ny haka fanapahan-kevitra izay hitondra azy any amin’ny fahapotehana azo antoka. Eto no tena tsy anehoan’ny tanora fahendrena mihitsy mihoatra ny zavatra hafa rehetra; eto no tsy mety anarina izy ireo. Toa manana hery mamosavy azy ireo ny resaka fanambadiana. Tsy milefitra eo ambanin’Andriamanitra izy ireo. Voafatotra ny retsi-pandren’izy ireo, ary miroso miafinafina izy ireo, ary feno tahotra sao hisy olona hanakana ny drafitra ataon’izy ireo. - MYP 447.1.HAT 392.2

    Ny fomba miafina izay anaovana ny fisakaizana sy ny fanambadiana dia miteraka fijaliana betsaka, izay Andriamanitra irery ihany no mahafantatra ny tena halehibeny marina. An’arivony ireo sambom-panahy rendrika eo amin’io vatolampy io. Ireo izay milaza azy ho Kristianina, manana fiainana feno fahitsiana, izay toa mora tohina amin’ny lohahevitra hafa, dia manao fahadisoana mampatahotra eto. Maneho saina efa tapa-kevitra tsy azo ovana izy ireo. Voasarika loatra amin’ny fihetseham-po sy ny fahatairan’ny olombelona izy ireo ka tsy maniry ny hitady ny Baiboly intsony sy hanana fifandraisana ety dia ety amin'Andriamanitra. - MYP 447.2.HAT 393.1

    Fantatr’i Satana tsara ny zava-misy, ary mampiseho ny fahaizan-dratsiny izy mba hamandrihana ny fanahy ho very. Mandinika ny dingana rehetra izay raisina izy, ary manome soso-kevitra maro, ka matetika ireny soso-kevitra ireny no arahina fa tsy ny tenin'Andriamanitra. Io harato mampidi-doza voatenona tsara io dia voaomana ny handavo ny tanora sy ny tsy mitandrina. Mety hafenina ao ambadiky ny endrika mazava izy io, kanefa alahelo maro no mianjady amin’izay tratrany. Ary vokatr’izany dia mahita ny olombelona potika isika eny rehetra eny. - MYP 448.1.HAT 393.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents