Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Famantarana ny Fitondrany ny Reny

    Zava-maniry mila fikolokoloana ny tena fitiavana marina. Alohan’ny hileferany amin’ny fitiavany dia aoka ny vehivavy izay maniry ny hanana fanambadiana miadana, sambatra, izay maniry ny hiala amin’ny fijaliana sy ny alahelo ho avy, hanontany hoe: Moa ve manana reny ilay olon-tiako? Inona no voamarika ao amin’ny toetr’izany reniny izany? Moa ve mahatsapa ny adidy aman’andraikiny manoloana izany reniny izany izy? Moa ve izy mihevitra ny faniriany sy ny fahasambarany? Raha toa ka tsy manaja sy manome voninahitra ny reniny izy, moa ve haneho fanajana sy fitiavana, hatsaram-panahy sy fahalianana, ho an’ny vadiny? Rehefa tapitra ireo zava-baovao ao amin’ny fanambadiana, mbola ho tia ahy ihany ve izy? Moa ve hanam-paharetana amin’ireo fahadisoako izy, sa ho be tsikera kosa sy hanao didy jadona? Ny tena fitiavana hanarona fahadisoana maro; tsy hahita azy ireo akory ny fitiavana. - MYP 450.1.HAT 395.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents