Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 153 — Ireo Karazam-Panambadiana Roa

    Ny fanambadiana tsy matotra no loharano mitondra ny ratsy betsaka indrindra izay misy ankehitriny. Tsy misy na ny fahasalamana ara batana na ny fahatanjahana ara—tsaina mahazo tombontsoa avy amin’ny fanambadiana aloha loatra eo amin’ny fiainana. Eo amin’io lohahevitra io koa dia tsy ampiasain’ny olona loatra ny saina. Maro ny tanora no manao zavatra amin’ny fihetseham-po taitaitra. Io dingana io, izay misy fiantraikany na ho amin’ny tsara na ho amin’ny ratsy, izay mety ho fitahiana mandra-pahafaty na ho ozona, dia raisina maimaika loatra, eo ambanin’ny fandrisihan’ny fihetseham-po. Maro ireo izay tsy hihaino ny fananarana sy ny fampianarana avy amin’ny fomba fijery kristianina (...) - MYP 453.1.HAT 398.1

    Feno fijaliana sy fahotana izao tontolo izao ankehitriny noho ny fanambadiana tsy lavorary. Matetika no ao anatin’ny volana vitsy monja dia mahatsapa ny mpivady fa tsy mety mihitsy ny fiarahan’izy ireo; ary ny vokatr’izany dia ny ady indray no lasa manjaka ao amin’ny tokantrano raha toa ka ny fitiavana sy ny firindran’ny lanitra irery ihany no tokony hitoetra. - MYP 453.2.HAT 398.2

    Ngidim-panahy no kolokoloina amin’ny alalan’ny fifandirana amin’ny zavatra tsy misy dikany. Ny tsy fifanarahana mibaribary sy ny adiady dia mitondra fijaliana tsy hay lazaina ao an-tokantrano, ary manasaraka ireo izay tokony hakamban’ny fatoram-pitiavana. An’arivony ireo nanao sorona ny tenany sy ny fanahiny ary ny vatany, amin’ny alalan’ny fanambadiana tsy hendry, ary dia lasa midina any amin’ny lalan’ny fahaverezana. - MYP 453.3.HAT 398.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents