Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fitokiana Manimba

    Tsy nahomby izy raha naka fanahy an’i Kristy tany an’efitra. Tanteraka ny drafitry ny fanavotana. Voaloa ny trosa ho fanavotana ny olombelona. Mitady ny handentehana ny fototry ny fanantenan’ny olona i Satana ankehitriny, ary dia mampiditra ao an-tsainy fomba fiheverana izay tsy hahasoa azy na hahazoany famonjena avy amin’ilay fanavotana lehibe. Mitarika ny olona lavo, amin’ny «famitahan’ny tsy fahamarinana» hino fa afaka hanao tsara, tsy mila fanavotana izy; tsy mila ny hiankina amin’ny Mpamonjy nohomboana sy nitsangana tamin’ny maty; fa ny asa tsara ataon’ny olona dia hahazoany fitia amin’Andriamanitra, ary amin’ny fomba toy izany no hanapotehany ny fitokian’ny olona ny Baiboly, fa fantany tsara fa raha mahomby amin’izany izy ka simba izay ahafahana manisy marika eo amin’ny olona, dia handresy izy.HAT 42.3

    Alentiny ao amin’ny sain’ny olona ny finoana fa tsy misy izany hoe devoly izany, koa izay mino izany dia tsy miezaka akory ny hiady amin’izay tsy misy, ary dia manaiky ilay fomba fitenenana hoe «Izay misy no marina» ireo olona nohajambaina. Tsy manaiky intsony lalàna hifehy ny lalany izy. Betsaka no taomin’i Satana hino fa tsy ilaina intsony ny vavaka, fa fomba fotsiny no anaovana izany. Fantany tsara anefa fa tena ilaina ny fandinihana ny tenin’Andriamanitra sy ny vavaka, fa manampy ny mpanaraka an’i Kristy hahatohitra ny fandrika sy ny famitahana ataony izany. Hitarika ny saina tsy ho da ireo ny fitaoman’i Satana, ka tsy hiankina amin’ilay manana ny hery intsony ny fanahy, tsy hahazo hery avy Aminy handresy ny fanafihan’i Satana.HAT 43.1

    Ho tanteraka ny tanjony raha manao tsirambina ny vavaka isika, satria dia hekena mora foana ireo zava-mahagaga mandainga ataony. Ho tratrany ihany izay nokendreny amin’ny famitahana ny olona raha tsy nahomby izy tamin’i Kristy. Miendrika tanora tsara tarehy izy indraindray, na ao anaty aloka mahafinaritra. Manasitrana izy, ary tompoin’ny olona voafitaka toy ny mpanao soa ny olombelona.HAT 43.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents