Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Mandika ny Lalàn’ny Fahasalamana sy ny Fahatsoram-Po

    Miambina manokana ireo izay manokana ny ampaham-potoana betsaka amin’ny alina hifampiresahan’ny mpifankatia ny anjelin’i Satana. Raha nanokatra ny masony izy ireo, dia mety hahita anjely iray mandray an-tsoratra ny teny sy ny fihetsiny rehetra. Voadika ireo lalàn’ny fahasalamana sy fahatsoram-po. Mety kokoa raha ny sasany amin’ireo ora maro lany amin’ny fisakaizana no lany ao amin’ny fiainam-pianakaviana. Kanefa amin’ny ankapobeny, ny fanambadiana no mamarana ny fanoloran-tena rehetra naseho nandritra ny andro fisakaizana! - MYP 457.2 .HAT 402.2

    Ireo oran’ny fanaranam-po amin’ny mamatonalina, amin’izao andron’ny fitondran-tena maloto izao, dia matetika mitarika ho amin’ny faharavan’ny roa tonta izay manao izany. Ravoravo i Satana, ary afa-baraka Andriamanitra rehefa manala baraka ny tenany ny lehilahy sy ny vehivavy. Ny laza tsara sy ny voninahitra dia natao sorona eo ambanin’ny odin’io fifanintonana tsy masina io, ary ny fanambadian’izany olona izany dia tsy azo ambara ampahibemaso ho nahazo ny fankatoavan’Andriamanitra. Nivady izy ireo satria ny filàna no nanetsika azy, ary rehefa tapitra hatreo ny maha-zava-baovao ny fanambadiana dia hanomboka hahatsapa ny zavatra nataony izy ireo. Enim-bolana taorian’ny nanambarana ny voady dia efa niova ny fihetseham-pon’izy ireo amin’ny samy izy. Tao amin’ny fiainam-panambadiana ny tsirairay dia samy nianatra bebe kokoa momba ny toetr’ilay nofidiny. Mahita tsy fahatanterahana ny tsirairay, izay toa tsy hita nandritra ny fahajambana sy hadalana teo amin’ny fiarahana teo aloha. Tsy mamatotra azy ireo fanomezan-toky teo amin’ny alitara. Ny vokatry ny fanambadiana an-kamehana, eny, na dia amin’ireo milaza ho olon’Andriamanitra aza, dia ny fisarahana, ny fisaraham-panambadiana ary ny fikorontanana lehibe ao amin’ny fiangonana. - MYP 457.3.HAT 402.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents