Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Tsy Firaharahana ny Torohevitra

    Izany karazana fampakarana na fanomezana ho ampakarina izany dia iray amin’ireo fitaovan’i Satana manokana, ary saika mahomby amin’ny fikasany mandrakariva izy. Tena mahatsapa fangirifiriana ny tsy fahafahako hanao na inona na inona aho rehefa tonga manatona ahy hangataka torohevitra mahakasika io resaka io ny andaniny roa. Mety hilaza aminy ny teny nasain’Andriamanitra hoteneniko aho, saingy matetika dia ladianay hevitra avokoa ny zavatra rehetra, ary mihevitra ny ho hendry izy amin’ny fanatanterahana ny fikasan’ny tenany ary izany no mazana ataony. - MYP 458.1.HAT 403.1

    Toa tsy manana hery handresena ny faniriany sy ny fironany izy ireo, ary hanambadimbady fahatany. Tsy mandinika tsara sy amim-bavaka ny raharaha izy ireo, ary tsy mametraka ny zavatra eo antanan’Andriamanitra mba hotarihina sy hofehezin’ny Fanahiny. Ny fahatahorana an’Andriamanitra dia toa tsy eo ambanin’ny mason’izy ireo. Heverin’izy ireo fa azony amin’ny fahafenoany ny raharaha, tsy misy fahendrena avy amin’Andriamanitra na torohevitra avy amin’olona. -MYP 458.2. Rehefa tara loatra, dia hitan’izy ireo fa nanao fahadisoana izy, ary nanimba ny fahasambarany eto amin’ity fiainana ity sy ny famonjena ireo fanahiny. Tsy miaiky izy ireo fa misy olona hafa ankoatra azy mahalala momba izany; kanefa raha noraisina ny torohevitra dia nety ho afaka nisoroka taona maro feno fahoriana sy fanahiana. Kanefa ny torohevitra dia tsy misy dikany ho an’ireo izay tapa-kevitra hanao ny sitrapony. Ny filàna dia mitondra ireny olona ireny handingana ny sakana rehetra aroson’ny fisaintsainana sy fieritreretana. - MYP 459.1.HAT 403.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents