Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fampidirana

    Toko voalohany — Manorina Toetra ho an’ny Mandrakizay

    Manana fahalianana lalina amin’ny tanora aho, ary faniriako indrindra ny hahita azy ireo hanao ezaka hahatanteraka ny toetra kristianina, mikatsaka amin’ny alalan’ny fianarana mazoto sy vavaka mafana, mba hahazoana fanofanana tena ilaina ho amin’ny fanompoana azo ekena amin’ny asan’Andriamanitra. Maniry ny hahita azy mifanampy hahatratra ambaratonga ambony kokoa ny fanandramana kristianina aho.HAT 6.1

    Tonga hampianatra ny fianakavian’olombelona ny lalam pamonjena i Kristy, ary nataony mahitsy izany mba hahafahan’ny ankizy kely mizotra eo. Nandidy ny mpianany i Kristy handrosoan’ireo amin’ny fahalalana ny Tompo, fa raha manaraka isan’andro ny fitarihany izy ireo dia ho fantany fa ny lalany dia voaomana toy ny fisandratry ny andro maraina.HAT 6.2

    Efa nijery ny masoandro miposaka ianao, sy ny fisandratry ny andro miandalana manerana ny tany sy ny lanitra? Mihamazava tsikelikely ny andro mandra-pisehon’ny masoandro; ary mitombo mihamahery izany hazavana izany mandra-pahatratry ny fahafenoan’ny voninahitry ny mitataovovonana. Fanehoana an-tsary mahafinaritra ny fanirian’Andriamanitra hatao ho an’ny zanany izany amin’ny fanatanterahan’izy ireo ny fanandramana kristianina. Raha mizotra isan’andro isan’andro amin’ny fahazavana alefany isika, maniry ny hankatò ny fitakiany, dia hitombo sy hivelatra ny fanandramantsika mandra-pahatrarantsika ny fahafenoan’ny maha-olon-dehibe ao amin’i Kristy Jesôsy.HAT 6.3

    Mila mitandrina mandrakariva ny eo anoloany toy ny lalana narahin’i Kristy ny tanora. Ny dingana tsirairay dia lalan’ny fandresena. Tsy tonga teto an-tany tahaka ny mpanjaka hifehy ny firenena i Kristy; fa tonga tahaka ny olon-tsotra, halaim-panahy, sy handresy fakam-panahy mba hahafantarantsika ny Tompo, ohatra ho antsika. Ny fandinihantsika ny fiainany dia hampianatra antsika hoe manao ahoana ny hataon’Andriamanitra amin’ny zanany amin’ny alalan’i Jesôsy. Ary hianarantsika fa na manao ahoana na manao ahoana halehiben’ny fitsapana mahazo antsika dia tsy afaka ny hihoatra izay niaretan’i Kristy izany, hahafantarantsika ny lalana sy fahamarinana ary ny fiainana. Amin’ny alalan’ny fiainana mifanaraka amin’ny ohatr’i Kristy dia maneho ny fankasitrahana ny sorona nataony ho antsika isika.HAT 6.4

    Novidina tamin’ny vidiny tsy manam-petra dia ny ran’ny Zanak’Andriamanitra ny tanora. Hevero ny fandavan-tenan’ny Ray tamin’ny namelany ny Zanany ho io sorona io. Hevero izay nafoin’i Kristy raha nandao ny lapan’ny lanitra sy ny seza fiandrianan’ny Mpanjaka Izy ka hanome ny ainy ho fanatitra isan’andro ho an’ny olona. Niaritra latsa sy notsiratsiraina izy. Nitondra ozona sy eso izay ozon’ny olon-dratsy hatonta teo aminy. Ary rehefa vita ny asa fanompoany teto an-tany dia niaritra ny fahafatesana teo amin’ny hazo fijaliana Izy. Hevero ny fahoriany teo an-kazo fijaliana, ny fantsika nalentika tamin’ny tanany sy ny tongony, ny fanarabiana sy teny ratsy avy amin’ireo nahatongavany mba hovonjena, ny fiafenan’ny tavan’ny Rainy. Kanefa tamin’izany rehetra izany no nanehoana izay azon’i Kristy atao ho an’izay rehetra maniry hanana fiainana mifamatra amin’ny fiainan’Andriamanitra.HAT 7.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents