Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Mikatsaka ny Tari-Dalana avy amin’Andriamanitra

    Raha toa ka manana fahazarana ny hivavaka indroa isan’andro ny lehilahy sy ny vehivavy mialoha ny hieritreretana fanambadiana, dia tokony hivavaka inefatra isan’andro rehefa mihamanatona izany dingana izany. Ny fanambadiana dia zavatra hisy hery miasa mangina sy fiantraikany eo amin’ny fiainanao, na eto amin’ity izao tontolo izao ity na any amin’ny tontolo ho avy. Ny Kristianina tso-po dia tsy hampandroso ny fikasany amin’izany lalana izany raha tsy fantany fa ankasitrahan’Andriamanitra ny diany. Tsy te hisafidy ho an’ny tenany izy fa hahatsapa fa Andriamanitra no tokony hisafidy ho azy. Tsy tokony hanao izay hahafaly antsika isika fa i Kristy aza dia tsy mba nanao izay hahafaly ny Tenany. Tsy midika izany lazaiko izany fa ny olona iray dia tokony hanambady olona tsy tiany. Fahotana izany. Kanefa aoka tsy havela hitarika ho any amin’ny faharavana amin’ny haitraitra sy ny fihetseham-po. Andriamanitra dia mitaky ny fo manontolo, ny fitiavana fara tampony. - MYP 460.1.HAT 405.1

    Ny ankamaroan’ny fanambadiana amin’izao fotoana izao, sy ny fomba fitondrana azy, dia mahatonga azy ireo ho iray amin’ireo famantarana ny andro farany. Ny lehilahy sy ny vehivavy dia tena be fikirizana sy mafy loha ka tsy misy hidiran'Andriamanitra intsony. Voailika ny fivavahana, toy ny hoe tsy manana anjara asa atao amin’izany raharaha matotra sy manan-danja izany. Kanefa raha tsy nohamasinina tamin’ny alalan’izany ireo olona milaza fa mino ny fahamarinana, ary voasandratra ny saina sy ny toetra, dia tsy manana toerana tsara eo anatrehan’Andriamanitra izy toy ny mpanota izay tsy nahazo fahazavana mihitsy mahakasika ny fitakiany. - RH, September 25, 1888. {MYP 460.2}HAT 405.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents