Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 157 — Ny Ohatr'i Isàka

    Tsy maintsy misy loza mananontanona amin’ny fifandraisan’izay matahotra an’Andriamanitra sy izay tsy mahatahotra Azy. “Ho tafara-dalana va ny roa, raha tsy efa nifanaiky?” Ny fahasambarana sy ny fanambinan’ny fifandraisam-panambadiana dia miankina amin’ny firaisan’ny andaniny sy ankilany; kanefa tsy mitovy mihitsy ny zavatra ankafizina, ny fironana sy ny zava-kendren’ny mpino sy ny an’ny tsy mpino. Manompo tompo roa izy ireo, ary tsy afaka ny hifanaraka. Na dia madio sy marina tahaka ny inona aza ny foto-kevitra, dia hanana fironana hiala amin’Andriamanitra ny hery miasa manginan’ilay sakaiza tsy mino. - MYP 464.1.HAT 408.3

    Ny olona izay miditra ao amin’ny fatoram-panambadiana raha mbola tsy niova fo dia ho eo ambany fifehezana matanjaka kokoa ny ho mahatoky amin’ny vadiny aorian’ny fiovam-po, na dia efa tsy mitovy finoana intsony aza izy ireo; ny zavatra takin’Andriamanitra anefa dia tokony hatao ambonin’ny fifandraisana eto an-tany rehetra, na dia fitsapana sy fanenjehana aza ny vokatr’izany. Manana hery miasa mangina amin’ilay hitarihana ilay tsy mino ho amin’ny tsara izany fahatokiana izany rehefa miaraka amin’ny fanahim-pitiavana sy fahalemem-panahy. Kanefa ny fanambadian’ny Kristianina amin’ny tsy mpino dia raran’ny Baiboly. Izao no tari-dalana nomen’ny Tompo: “Aza mety asiana zioga tsy antonona anareo hikambana amin ny tsy mino. ” - MYP 464.2.HAT 409.1

    Na dia mpandova ny teny fikasana izay natolotra izao tontolo izao aza i Isàka izay efa efapolo taona tamin’izay fotoana izay dia nankatò ny rainy izy; izay naniraka mpanompo mahatoky sady tia vavaka mba hitady vady ho azy. Toy izao ny filazalazan’ny Soratra Masina ny sary malefaka sy mahafinaritr’izany tokatrano sambatra izany: “Ary Isaka dia nampiditra an-dRebeka ho ao an dain’i Saraha reniny ka nampakatra azy ho vadiny; ary tia azy izy, dia nionona ny alahelony an-dreniny”. - MYP 464.3.HAT 409.2

    Akory ny fahasamihafan’ny fanaon’ny tanora ankehitriny, izay mihambo ho manam-pahefana hifidy malalaka izay vady tian’ny fony, ka tsy manan-kevitra ny hila saina akory amin’Andriamanitra na amin’ny ray aman-dreniny, na dia mbola tsy mato-tsaina akory aza izy? Taona vitsivitsy ao amin’ny fanambadiana anefa dia ampy hampiaiky azy ireny ny fahadisoan-keviny; kanjo, matetika tara loatra izany ka tsy maharo ny voka-dratsy mety hiseho. Izany fahamaimaizana eo amin’ny fifidianana izay ho vady izany dia hiseho koa amin’ny fiainana ao an-tokantrano, ka hiharatsy ny toe-javatra ary tsy ho zaka intsony; firifiry akory ireo izay efa nanimba tamin’ny fomba toy izany ny fahasambarana eto amin’izao fiainana izao sy ny fanantenany momba ny fiainana ho avy. - MYP 465.1.HAT 409.3

    Raha toa ka misy lohahevitra izay tokony hodinihina tsara, miaraka amin’ny fitadiavana ny torohevitry ny olona antitra kokoa sy be fanandramana kokoa dia io lohahevitry ny fanambadiana io izany; raha toa ka misy fotoana ilàna ny Baiboly ho mpitarika, raha toa ka misy fotoana tokony hikatsahana fitarihana avy any an-danitra amin’ny alalan’ny vavaka, dia alohan’ny hakana ilay dingana hikambanana amin’olona iray hafa mandritra ny fiainana manontolo izany fotoana izany. - MYP 465.2.HAT 410.1

    Ny fanajan’i Isàka ny hevitry ny ray aman-dreniny dia vokatry ny fomba nitaizana azy satria efa nampianarina fiainana feno fankatoavana izy. I Abrahàma dia nampianatra ny zanany hahay hanaja ray aman-dreny ary nanao izany isan’andro tamim-pitiavana sy tamim-pikendrena izay hahasoa sy hahasambatra ny taranany.HAT 410.2

    Tsy tokony hanadino na oviana na oviana ny adidy tsy maintsy efainy mba hahasambatra ny zanany ny ray aman-dreny; tokony hitari-dalana ny fiainan’ny zanany izy mba hananan’izy ireo tokantrano sambatra. Amin’ny alalan’ny teny sy ny oha-pitondran-tena asehony dia manana adidy ny ray aman-dreny, eo ambany fanampian’ny fahasoavan’Andriamanitra, mba hamolavola ny toetran-janany ka hahatonga azy ireo hanana toe-tsaina madio sy mendrika, ho tia ny marina sy ny tsara hatramin’ny andron’ny fahazazany. Izay misy itoviany no miara-dia. Ataovy ao an-tsain’ny zaza dieny mbola kely ny fitiavana ny fahamarinana, ny fahadiovana, ny fahatsaram-panahy, fa rehefa lehibe izy dia tsy hitady hiray afa-tsy amin’ny olona manana toetra toy izany (...) - MYP 466.1.HAT 410.3

    Ny tena fitiavana marina dia vokatry ny foto-kevitra ambony sy masina; hafa lavitra noho izany ny firaisana mety ho vokatry ny hafanam-po vetivety izay mora mangatsiaka raha vao tojo zava-manahirana. Amin’ny alalan’ny fanatanterahana tsara ireo adidy tokony hatao ao an-tranon-dray aman-dreny, no hiomanan’ny tanora hahay hanorin-tokantrano, satria ao no tsy maintsy hianarany hanana fandavan-tena sy hatsaram-panahy ary fanajana kristianina. Fa izay zatovo manana fo feno fitiavana mafana no hahay hanome fahasambarana izay olona ho vadiny, rehefa tonga ny fotoana handaozany ny akany nahabe azy mba hanorenany tokantrano vaovao. Ho fiantombohan’ny fitiavana ny fanambadiana amin’izay fa tsy fiafarany. - Patriarka sy Mpaminany, tt. 170-171. {MYP 466.2} HAT 411.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents