Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Nosokafana ny Efitra Lamba

    Narary ny foko, ary nila ho rendrika ny fanahiko tato anatiko, raha nosokafana ny efitra lamba ka naseho ahy ny fahalovana misy ankehitriny. Hitako fa nahafeno ny kapoaky ny faharatsiany ny mponin’ny tany. Mirehitra ny fahatezeran’Andriamanitra ary tsy ho faty intsony mandra-pandevona ny ratsy fanahy hiala amin’ny tany.HAT 44.2

    I Satana no fahavalon’i Kristy. Izy no fototra sy mpitarika ny fikomiana rehetra tany an-danitra sy etỳ an-tany. Mitombo ny haromotany, ary tsy azontsika an-tsaina ny heriny. Tsy hahatsiaro tena hilamina isika raha mahita ny fiasan’ireo anjely lavo amin’ireo izay mahatsiaro tena fa mety ary mieritreritra fa voaaro. Mitsongo dia antsika hatrany ny anjely ratsy. Manantena fahavononana tsy hanaiky ny fitaoman’i Satana avy amin’ireo ratsy fanahy isika, nefa amin’ny fotoana izay tsy iambenantsika ny saintsika no hanaovan’ny anjely miafin’i Satana tsy hita maso zava-mahagaga sy famantarana eo imasontsika. Voaomana hiady amin’ireny amin’ny alalan’ny tenin’Andriamanitra ve isika, ilay hany fiadiana azontsika ampiasaina amim-pahombiazana.HAT 44.3

    Misy ireo alaim-panahy handray ireny fahagagana ireo ho toy ny avy amin’Andriamanitra. Eo imasontsika no hanasitranana ny marary. Ho voaomana hosedraina ve isika rehefa hiseho tokoa ny fahagagana mamitaka ataon’i Satana rehetra. Moa tsy ho maro ireo fanahy ho tratry ny haratony sy ho azony? Endriky ny fahadisoana, fialana amin’ny fitsipika sy didin’Andriamanitra mazava, ary finoana angano no mameno ny saina handray ireo famitahana feno lainga ataon’i Satana. Koa tokony hitafy dieny izao ny fiadiana hiatrehana izany fifandonana tsy maintsy hirobohana tsy ho ela izany isika. Ny finoana ny tenin’Andriamanitra, ny fandinihana azy ombam-bavaka sy fampiharana no ho ampinga ho antsika manoloana ny herin’i Satana, ka hivoahantsika ho mpandresy noho ny ran’i Kristy. — RH, 18 Feb. 1862.HAT 45.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents