Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Tsy Fihetseham-Po fa Fiainana Voaova

    Tarihin’i Satana ny olona hisaina fa rehefa nihetsi-po be izy dia izany no atao hoe fiovam-po. Kanefa tsy miova ny fanandramana ataony. Tsy miova ny ataony fa dia ny teo ihany. Tsy maneho voa tsara ny fiainany. Mivavaka matetika sy lava izy, ary dia mitantara mandrakariva ny fihetseham-pony tamin’ny fotoana toy izao sy toy izao, kanefa tsy miaina fiainana vaovao akory. Voafitaka izy ireo. Tsy mihoatra ny fihetseham-po ny halalin’ny fanandramana ataony. Manorina ambony fasika izy, koa rehefa tonga ny rivotry ny fanoherana dia voafaoka.HAT 54.1

    Maro ireo fanahy mampalahelo mitsapatsapa ao anaty haizina, mitady ireo fihetseham-po lazain’ny sasany fa azony tamin’ny fanandraman’ny tenany. Hadinon’izy ireo fa ny mpino an’i Kristy dia tokony hiasa amin’ny tahotra sy ny hovitra hahatanteraka ny famonjena azy. Manana zavatra tokony hatao ny mpanota voampanga. Tsy maintsy mibebaka izy ary maneho finoana marina.HAT 54.2

    Rehefa miresaka ny amin’ny fo vaovao i Jesôsy, dia ny saina, ny fiainana, ny olona manontolo no tiany hambara. Ny hoe manana fo vaovao dia midika fa noesorina tamin’izao tontolo izao ny fitiavana ary dia nafatotra amin’i Kristy. Ny manana fo vaovao dia manana saina vaovao, fikasana vaovao, hery manosika vaovao. Inona no famantarana ny fo vaovao? Ny fiainana voaova, fahafatesana isan’andro, isan’ora amin’ny fitiavan-tena sy ny avonavona.HAT 54.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents