Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Loza avy amin’ny Fisakaizana amin’ny Tsy Mpino

    Velona amin’ny taonan’ny tsy fanarahan-dalàna isika ary dia sahy amin’ny ota ny lehibe sy ny tanora. Raha tsy voaambina tsara ny tanorantsika, raha tsy hatanjahin’ny foto-kevitra matotra izy ireo, raha tsy mifidy amim-pitandremana fatratra ny namana sy ny boky izay amokisany ny sainy izy, dia ho sehatra ny fiarahamonina feno fahalotoana toy ny fitondran-tenan’ny mponina tao Sôdôma izy ireo. Mety hanintona ny fisehon’ny olon’izao tontolo izao, kanefa raha manohy manely hevitra mifanohitra amin’ny Baiboly izy ireo, dia namana mampidi-doza, fa hiezaka mandrakariva handemy ny fototry ny finoanao izy, hanimba ny fahatakarana ny fivavahan’ny filazantsara hatramin’izay.HAT 66.3

    Matetika mifandray amin’ireo manana fironana tsy hino ny tanora, ary tsy mahalala izany ny ray aman-dreny raha tsy efa vita ny asa ratsy ka simba ny tanora. Tokony hampianarina amim-pitandremana ny tanora, mba tsy ho voafitaka izy mikasika ny tena toetr’ireo olona ireo, ka tsy hisakaiza amin’io sokajy io, na hihaino ny teniny manaraby sy feno hadalana. Raha tsy manana herin-tsaina hanapaka ny fifandraisany amin’ny olona toy izany ny tanora, rehefa hitany ny tsy finoana ananany, dia ho voaremby izy, hisaina sy hiteny tahaka ny fanaon’ireo namany, hanamaivana ny fivavahana sy ny finoana ny Baiboly.HAT 67.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents