Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Avy ny Tafiotra

    Tokony hitady an’Andriamanitra amin’ny fo kokoa ny tanora. Avy ny tafiotra, ary tokony ho vonona amin’ny fahatezerany isika amin’ny fibebahana amin'Andriamanitra sy ny finoana ny Tompo Jesôsy Kristy. Hitsangana hampihorohoro ny tany ny Tompo. Hahita fahoriana maneran-tany isika. Sambo an’arivony no ho voatsipy any amin’ny ranomasina lalina. Sambo mpiady maro no ho rendrika ary aina an-tapitrisany no hatao sorona. Hisy afo. hirongatra tsy ampoizina, ary tsy hahavono azy ny fiezahana ataon’ny olona. Lapa betsaka no hanjavon’ny hasiaky ny afo. Hihamatetika ny lozan-dalam-by; fisavoritahana sy fifandonana ary fahafatesana tsy misy fampitandremana no hitranga eny amin’ny lalam-ben’ny fifamoivoizana. Akaiky ny farany, hikatona ny androm-pahasoavana. O, andeha hitady an’i Jehôvah dieny mbola hita Izy, hiantso Azy dieny mbola akaiky Izy! Hoy ny mpaminany: «Mitadiava an'i Jehovah hianareo mpandefitra rehetra amin'ny tany, izay efa nanaraka ny fitsipiny; tadiavo ny fahamarinana, tadiavo ny fandeferana; angamba ho voafina hianareo amin’ny andro fahatezeran i'Jehovah.» - ST, 21 Apr. 1890.HAT 70.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents