Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Mampitombo ny Fahatokiana

    Ankasitrahan’ny Tompo ny ezaka tsirairay ataonao hanatrarana ny idealiny ho anao. Raha tsy mahatanteraka ianao, rehefa voafitaka hanota, dia aza mihevitra fa tsy afaka mivavaka, tsy mendrika ny hanatona ny Tompo. «Anaka, izany zavatra izany no soratako aminareo mba tsy hanotanareo. Ary raha misy manota, dia manana Solovava ao amin’ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina.” Manatsotra ny tanany Izy miandry ny hiarahaba ilay zanaka adala. Mankanesa eo Aminy, dia lazao azy ny fahadisoanao sy ny tsy fahombiazanao. Mangataha hery vaovao Aminy hanaovana fanandramana vaovao indray. Tsy handiso fanantenana anao velively Izy, ary tsy hamadika ny fitokianao.HAT 75.2

    Ho avy aminao ny fizahan-toetra. Izany no hanitsian’ny Tompo izay marokoroko amin’ny toetranao. Aza mimonomonona. Manjary mihamafy ny fitsapana rehefa mimonomonona ianao. Omeo voninahitra amin’ny fanekenao amim-pifaliana Andriamanitra. Iareto amim-paharetana ny enta-mavesatra. Na dia asiana ratsy aza ianao, dia ataovy am-po ny fitiavan’Andriamanitra. «Dia arovy ny lelanao amin’ny ratsy ary ny molotrao mba tsy hiteny fitaka. Halaviro ny ratsy, ka manaova soa; mitadiava fihavanana ka araho izany. Ny mason ‘i Jehovah dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainanyHAT 75.3

    «Tandremo ny dingana mankany amin’ny famoizam-po; ilay andro faran’izay maizina, Andraso fa ho lasa izany rahampitso”. «Amin’ny fanginana sy ny fahatokiana no hisian’ny herinareo.» Fantatr’i Kristy ny herin’ny fakam-panahy mahazo anareo sy ny tanjaky ny herinareo hoenti-manohitra. Mitsotra feno halemem-panahy mandrakariva ny tanany malahelo ny zanany rehetra mijaly. Hoy Izy amin’izay alaim-panahy, kivy: Ho anao izay nijaliako sy nahafatesako, tsy afaka ny hatoky ve ianao, anaka? «Ary hifamatra amin’ny andronao ny fiadananao.»...HAT 76.1

    «Ankino amin’i Jehovah ny làlanao, ary matokia Azy, fa hataony tanteraka.» (...) Ho tahaka ny aloky ny vatolampy lehibe eo amin’ny tany karakaina ho anao Izy. Hoy Izy: «mankanesa atỳ Amiko hianareo, (...) fa Izaho no hanome anareo fitsaharana», -fitsaharana izay tsy azon’izao tontolo izao omena na alaina (...)HAT 76.2

    Tsy misy teny mahalaza ny fiadanana sy ny fifaliana ananan’izay mandray an’Andriamanitra amin’ny teniny. Tsy mampihontsona azy ny fizahan-toetra, tsy mahatezitra azy ny fanambaniana. Voahombo ny izaho. Na dia mihamavesatra isan’andro aza ny andraikitra, ny fakam-panahy mihamafy, mihahenjana ny fizahan-toetra, dia tsy mihontsina izy; fa nandray hery mifanaraka amin’ny zavatra ilainy izy. -YI, 26 Jona 1902.HAT 76.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents