Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 25 — Manatanteraka Toetra

    Tsy nanome antoka antsika velively i Kristy fa zava-mora ny hananana ny fahatanterahan’ny toetra. Tsy nolovana koa ny toetra mendrika tanteraka. Ary tsy kisendrasendra no iaviany. Amin’ny alalan’ny ezaka ataon’ny tena manokana ao amin’ny fahamarinana sy ny fahasoavan’i Kristy no ahazoana toetra ambony. Andriamanitra no manome ny talenta, ny herin-tsaina; isika no mamolavola ny toetra. Ady amin’ny tena, henjana sy mafy no atao hamolavolana azy. Ady misesy no tsy maintsy atao handresena ny fironana nolovana. Anjarantsika ny mitsara ny tenantsika akaiky, ary tsy mamela singan-toetra iray tsy mahomby tsy hahitsy.HAT 77.1

    Aoka tsy hisy hiteny hoe tsy afaka hanova ny faharatsian-toetrako aho. Raha tonga amin’izany fanapahan-kevitra izany ianao, dia azo antoka fa tsy hahazo ny fiainana mandrakizay. Ao amin’ny sitraponao no misy ny tsy fahafahana. Raha tsy maniry ianao, dia tsy haharesy. Ny tena olana dia avy amin’ny fahalovan’ny fo tsy nohamasinina, ary avy amin’ny tsy fetezana hanaiky ny fifehezan’Andriamanitra.HAT 77.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents