Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Kolokoloy ny Fahatsaran-toetra Tsirairay

    Aoka ho ambony fikendry, ho voninahitry ny Tompo, ka hikolokolo ny fahatsaran-toetra tsirairay. Tokony hitady sitraka amin’Andriamanitra ianao amin’ny dingana rehetra amolavolanao ny toetranao. Azonao atao izany; fa nahita fitia teo imasony i Enôka, na dia velona tao amin’ny taranaka ratsy aza. Ary misy Enôka amin’izao androntsika izao.HAT 78.2

    Mijoroa tahaka an’i Daniela, ilay mpitondra mahatoky teo amin’ny firenena, izay tsy azon’ny fakam-panahy navily tamin’ny marina. Aza mandiso fanantenana Ilay tia anao ka nanolotra ny ainy mba hamafana ny fahotanao. Hoy Izy: «Raha misaraka Amiko kosa hianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona.» Tadidio izany. Raha nanao fahadisoana ianao, dia hahazo fandresena raha hitanao izany fahadisoana izany ary mijery azy tahaka ny jiro fanairana mampitandrina. Dia havadikao ho fandresena ilay faharesena teo, mandiso fanantenana ny fahavalo, fa manome voninahitra ny Mpanavotra.HAT 78.3

    Ny toetra novolavolaina amin’ny fanahafana ny toetran’ Andriamanitra no hany harena azontsika entina miala amin’izao fiainana izao mankany amin’ny manaraka. Ireo izay mandray ny fampianaran’i Kristy amin’izao fiainana izao dia hitondra ireo fahatanterahana araka an'Andriamanitra tsirairay ho any amin’ny fonenan’ny lanitra. Ary mbola hianatra aza isika any an-danitra. Noho izany dia zava-dehibe ny fampivelarana ny toetra amin’izao fiainana izao.HAT 78.4

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents