Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Antsoina ho amin’ny Anjara Ambony

    O! Raha mba mahatakatra ny anjara ambony iantsoana azy ireo mantsy ny tanora! Saino tsara ny alehanao. Atombohy amin’ny fananana tanjona masina ny asanao, ary amin’ny alalan’ny herin’ny fahasoavan’Andriamanitra, aoka tsy hiova ary tsy hiala amin’ny lalan’ny fahitsiana. Raha manomboka mivily ianao, ny dingana tsirairay dia hovesaran’ny loza sy ny faharavana, ary dia hanohy lavitry ny lalan’ny fahamarinana sy ny fiarovana ary ny fahombiazana ianao. Ilainao ny hanana ny saina matanjaka ary ireo herim-panahy novelomina tamin’ny alalan’ny herin’Andriamanitra.HAT 10.1

    Mitaky ireo hery ambony indrindra ananan’ny olombelona ny asan’Andriamanitra, ary misy filana maika ireo tanora manana fahaizana asasoratra any amin’ny saha maro. Tadiavina any amin’ny saha midadasika efa masaka hojinjana ireo lehilahy azo itokiana hiasa. Ireo tanora manana talenta tsotra, izay manolo-tena tanteraka ho an’Andriamanitra, ary tsy simban’ny faharatsiana sy ny fahalotoana dia hahita fahombiazana ary homena fahafahana hanao asa lehibe ho an’Andriamanitra. Aoka hihaino ireo fampitandremana ny tanora ka hifehy tsara ny sainy. Firifiry moa ireo tanora nandanilany foana ny hery nomen’Andriamanitra azy ireo tamin’ny hadalana sy ny tsy fifantohana! Maro ireo tantara mampalahelo tonga ao an-tsaiko mikasika tanora izay lasa faraidiny amin’ny olombelona, ara-tsaina, ara-môraly, ara-batana, satria nandefitra tamin’ny fahazaran-dratsy! Rava ny toe-batana, tsy azo antoka intsony ny ilana azy ireo eo amin’ny fiainana, noho ny fandeferana tamin’ny fahafinaretana tsy ara-dalàna.HAT 10.2

    Mitalaho aminareo aho, ry tanora tsy mpiraharaha sy mpanao an-tsirambina, miovà fo, ary aoka ho tonga mpiara-miasa amin’Andriamanitra ianareo. Aoka ho tanjona eo amin’ny fiainanareo ny ho fitahiana sy famonjena ny hafa. Raha mangataka fanampiana avy amin’Andriamanitra ianareo, dia hanafoana ireo hery manohitra rehetra ny heriny miasa ao anatinareo ary dia hanamasina anareo ny fahamarinana. Manan-kery amin’ny fomba mampatahotra amin’ny tanora ny fahotana ankehitriny, nefa aoka ho tanjona ho anao ny hanao izay azonao atao hamonjy fanahy avy amin’ny herin’i Satana.HAT 11.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents