Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fifanandrinana Mandritra ny Fiainana

    Efa mba nahita vorona mpihaza manenjika domohina malemy ve ianao? Ny fiainana dia nampianatra ny domohina fa tsy maintsy manidina miakatra ambonin’ny hazany ny mpihaza. Noho izany dia niakatra ambony teny amin’ny habakabaky ny lanitra manga izy, nenjehin’ilay mpihaza, izay niezaka hanan-tombo aminy. Nefa dia tsy nahomby. Nieren-doza ilay domohina raha mbola tsy namela zavatra hanakana ny fanidinany izy, na hitondra azy hidina; fa vantany vao nisalasala izy ka nanidina nidina, dia hifaoka azy ny mpihaza izay tsy nitsaha-niambina azy. Imbetsaka isika no nijery trangan-javatra tahaka izany tamim-pahalianana, ny fontsika nitepo ho an’ilay domohina kely. Nahatsiaro nalahelo erỳ isika nahita azy lasa rembin’ilay voromahery!HAT 81.2

    Misy ady manoloana antsika, -ady mandritra ny androm-piainana amin’i Satana sy ny fakam-panahy mamitaka ataony. Hampiasa ny fandresen-dahatra rehetra ny fahavalo, ny famitahana rehetra, mba hihazonana ny fanahy, koa raha tiantsika ny hahazo ny satro-boninahitry ny fiainana, dia tokony hanao izay ezaka lehibe sy maharitra rehetra isika. Tsy tokony hanipy ny fiadiana na handao ny sahan’ady isika mandra-pahazo ny fandresena sy hihoby ao amin’ny Mpanavotra. Raha mbola mihazona ny masontsika mifantoka amin’Ilay Tompo sy Mpanefa ny finoantsika isika dia ho voaaro. Fa tsy maintsy afantoka any ambony ny faniriantsika, fa tsy amin’ny zavatry ny tany. Amin’ny finoana no hiakarantsika avo hatrany amin’ny fanatrarana ireo fahasoavan’i Kristy. Amin’ny fibanjinantsika isan’andro ny fahatsarany tapitr’ohatra no hitomboantsika amin’ny fanahafana ny endriky ny voninahiny. Rehefa mivelona miray amin’ny lanitra toy izany isika dia ho sasatra foana hamelatra ny fandriny i Satana. — YI, 12 May 1898.HAT 82.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents