Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fizarana Fahefatra - Mandeha Amin’ny Mazava

    Toko 32 — Mitombo amin’ny Fahasoavana

    “Kanefa mitomboa amin’ny fahasoavana, sy amin’ny fahalalana an’i Jesosy Kristy Tompontsika.” Tombontsoan’ny tanora, raha mitombo ao amin’i Jesôsy izy ireo, ny mitombo amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana ara-panahy. Azontsika atao ny mahafantatra misimisy kokoa an’i Jesôsy amin’ny alalan’ny fandinihana amim-pahalianana ny Soratra Masina, ary avy eo manaraka ny lalana-marina sy ny fahamarinana voambara ao. Ireo izay mitombo mandrakariva amin’ny fahasoavana dia hijoro tsy azo hozongozonina amin’ny finoana, sy mandroso mandrakariva.HAT 96.1

    Ilaina Amin’ny Fijoroana tsy azo Hozongozonina ny Fitomboana Tokony hisy faniriana lalina ao am-pon’ny tanora rehetra izay mikendry ny ho mpianatr'i Jesôsy Kristy ny hahatratra ny fenitra kristianina ambony indrindra, ny ho mpiasa miaraka amin’i Kristy. Raha ataony ho tanjony ny ho anisan’ireo izay hiseho tsy hisy tsiny eo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra, dia handroso mandrakariva izy. Ny hany fomba tokana hijoroana tsy azo hozongozonina dia ny handrosoana isan’andro amin’ny fiainana araka an’Andriamanitra. Hitombo ny finoana raha mandresy rehefa hoentina eo anoloan’ny olana miaraka amin’ny fisalasalana sy vato misakana. Miandalana ny tena fanamasinana marina. Raha mitombo amin’ny fahasoavana sy amin’ny fahalalana an’i Jesôsy Kristy ianao dia hanatsara ireo tombontsoa sy izay fotoana azo hararaotina rehetra mba hahazoana fahalalana misimisy kokoa ny amin’ny fiainana sy ny toetr'i Kristy.HAT 96.2

    Hitombo ny finoana an’i Jesôsy rehefa manjary mifankazatra tsaratsara kokoa amin’ny Mpanavotra anao ianao amin’ny alalan’ny fandinihana maharitra ny fiainany tsy misy tsiny sy ny fitiavany tsy manam-petra. Tsy afaka ny hanala baraka an’Andriamanitra mihoatra noho ny filazana fa Mpianany ianao kanefa mitoetra lavitra azy, tsy fahanana sy velomin’ny Fanahiny Masina. Rehefa mitombo amin’ny fahasoavana ianao dia ho tia ny hanatrika ireo fivoriana ara-pivavahana, ary hitondra fijoroana ho vavolombelona amim-pifaliana ny fitiavan’i Kristy eo anoloan’ny fiangonana. Andriamanitra, noho ny fahasoavany, dia afaka ny hahatonga ny tanora ho malina, ary afaka ny hanome ny ankizy fahalalana sy fanandramana. Afaka hitombo amin’ny fahasoavana isan’andro izy ireo. Tsy tokony handrefy ny finoanao amin’ny alalan’ny fihetseham-po ianao.HAT 97.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents