Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Mikolokolo Saina Mivelatra

    Tokony hanana saina mivelatra ny tanora, drafitra hendry, hampiasan’izy ireo amin’ny fara tampony ny fahafaha-manaony, handraisany ny Fanahy nanosika sy ny fahasahiana nanetsika ny apôstôly. Hoy i Jaona: «Nanoratra taminareo zatovo aho, satria mahery hianareo, ary mitoetra ao anatinareo ny tenin’Andriamanitra, sady efa naharesy ilay ratsy hianareo.” Fitsipika ambony no apetraka eo anoloan’ny tanora, ary manasa azy ireo ho amin’ny asa fanompoana marina ho Azy Andriamanitra. Ireo tanora mahitsy fo izay mifaly ny ho mpianatra ao amin’ny sekolin’i Kristy, dia afaka hanao asa lehibe ho an’ny Tompo, raha tahiny ka manaraka ny baikon’ilay Kapiteny ho amin’izao androntsika izao, izay re ao amin’ireto teny ireto: «Mahereza ary aoka hitomban-dahy».HAT 12.2

    Tokony handeha amim-panetren-tena miaraka amin’ Andriamanitra ianareo, hitsangana eo anoloany amin’ny maha-olombelona anareo, afaka amin’ny fahalotoana, afaka amin’ny pentin’ny fitiavam-pahafinaretana izay manimba izao taranaka izao. Tokony hankahala ny lainga sy ny faharatsiana rehetra ianareo, ho sahy ny ho marina sy hijoro, manangana avo ny faneva voapentin-dran’ny Andriana Imanoela. Hitombo ny talentanareo ampiasaina ho an’ny Tompo, ary ho sarobidy eo imason’Ilay nanavotra azy tamin’ny vidiny ambony indrindra ireo. Aza midonana-poana tsy manao na inona na inona, satria hoe tsy afaka hanao zava-dehibe ianareo, fa ataovy tanteraka sy amin-kery izay rehetra azon’ny tananao atao...HAT 12.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents