Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fahafaha-Manao Soa Tsy Voafetra

    Amin’ny fanaovana io asa io ho an’ny tenanao no hanananao hery miasa mangina amin’ireo olon-kafa maro ifaneraseranao. Endrey ny hatsaran’ny teny atao amin’ny antony! Manao ahoana ny habetsaky ny hery omen’ny teny fanantenana, fampirisihana sy fahavononana araka ny tokony ho izy ho an’ny olona izay mirona ho lavo any amin’ny fahazarana mampietry! Ny fikasana hentitra mety hanananao amin’ny fanatanterahana fitsipi-piainana tsara dia hanana hery miasa mangina hampifandanja ny fanahy amin’ny lalana tokony ho izy. Tsy misy fetra ny soa mety ho vitanao. Raha ataonao ho fitsipiky ny fiainanao ny tenin’Andriamanitra, sady mifehy ny zavatra ataonao amin’ny fitsipiny ianao, manao ny fikasanao sy ny fiezahanao rehetra amin’ny fanatanterahana ny adidinao ho fitahiana fa tsy ozona ho an’ny hafa, dia fahombiazana no asatroka ny fiezahanao.HAT 100.1

    Nametraka ny tenanao hifandray amin’Andriamanitra ianao, nanjary fantson’ny fahazavana ho an’ny hafa. Omem-boninahitra ianao noho ny nahatongavanao ho mpiara-miasa amin’i Jesôsy; ary tsy misy voninahitra ambonimbony kokoa azonao raisina mihoatra ny tso-drano feno fitahiana avy amin’ny molotry ny Mpamonjy: “Tsara izany ry mpanompo tsara sady mahatoky, midira amin’ny fifalian’ny Tomponao. ”-YI, 01 Sept. 1886.HAT 100.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents