Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Inona no Tombontsoa Amin’izany?

    Miantso ny olon-drehetra i Kristy mba hisaintsaina. Manaova kajy tsy misy hosoka. Ataovy eo amin’ny lela-mizàna iray i Jesôsy, izay midika ho harena mandrakizay, fiainana, fahamarinana, lanitra, sy ny fifalian’i Kristy amin’ny fanahy voavotra; apetraho eo amin’ny lela-mizana etsy ankilany ny fanintonana rehetra izay azon’izao tontolo izao atolotra. Apetraho eo amin’ny lela-mizana iray ny fahaverezan’ny fanahinao, sy ny fanahin’ireo fanahy izay nety ho nampiasana anao ho fitaovana famonjena azy ireo, eo ankilany, ho an’ny tenanao sy ny azy ireo, fiainana izay mifamatra amin’ny fiainan’Andriamanitra. Lanjao ny amin’izao fotoana izao sy ny mandrakizay. Raha eo am-panaovana izany ianao dia miteny Kristy hoe: “Inona moa ny soa ho azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy kanefa very ny fanahiny?”HAT 105.3

    Maniry Andriamanitra ny hifidianantsika ny any an-danitra fa tsy ny eto an-tany. Misokatra eo anoloantsika ny tombontsoa azo hararaotina hametrahana ny tombam-bidy any an-danitra. Hanome fampaherezana amin’ireo tanjontsika ambony indrindra, fandriam-pahalemana ho an’ireo fananantsika sarobidy indrindra izy. Hoy izy hoe: “Hataoko ho sarobidy noho ny volamena voadio ny olona iray, na dia ny lehilahy iray aza dia hihoatra noho ny vongam-bolamena avy any Ofira.” Rehefa holevonina ny harena izay mety hohanin’ny kalalao sy simban’ny harafesina, ireo mpanaraka an’i Kristy dia afaka mifaly noho ireo haren-tsarobidiny any an-danitra, ireo harena izay tsy mety simba. - COL, t. 374.HAT 106.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents