Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Antso Hiditra eo amin’ny Laharana

    Miantso ireo hirotsaka an-tsitrapo eo ambany fifehezany i Kristy, ka hitondra ny fanevan’ny hazo fijaliana any amin’izao tontolo izao. Maniry fatratra ny fiangonana ny fanampiana avy amin’ireo tanora hijoro ho vavolombelona amin’ny fahasahiana, izay hamelona amin’ny firehetan’ny zoto ananany ny hery malainan’ny vahoakan’Andriamanitra, ka hampitombo ny herin’ny fiangonana eto amin’izao tontolo izao. Ny tanora no ilaina hanohitra ny onjan’ny toe-panahy araka izao tontolo izao, ary hampitandrina amin’ny feo avo tsy hanaovana dingana mankany amin’ny fahalotoana sy ny faharatsiana.HAT 13.1

    Fa alohan’ny zavatra rehetra, ireo tanora izay hanompo an’Andriamanitra, ary hanolo-tena ho amin’ny asany, dia tsy maintsy manadio ny tempolin’ny fanahiny amin’ny fahalotoana rehetra, ary mampanjaka an’i Kristy ao am-pony; rehefa izany, vao afaka hanisy hery ao amin’ny ezaka kristianina ataony izy, ka haneho zoto feno fientanam-po amin’ny fitaomana ny hafa hihavana amin’i Kristy. Tsy hamaly ny antso fanasan’i Kristy ve ny tanorantsika ka hamaly hoe «Inty aho, iraho aho»? Ry tanora, haingàna ho eny am-bava ady ary mihevera tena ho mpiara-miasa amin’i Kristy, mandray ny asa eo amin’ny namelany azy, ary manohy izany mandra-pahatanterany. — RH, 16 Jona 1891.HAT 13.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents