Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 35 — Fifehezan-tena

    Tsara ny mahatsindry fo nobo ny mahery ary izay mahazaka ny fanahiny noho izay mahafa-bohitra. ” Naharesy ny tenany izy, -ny fahavalo matanjaka indrindra tsy maintsy hatrehin’ny olona.HAT 109.1

    Ny fifehezan-tena no porofo tsy azo lavina ambony indrindran’ny fahamendrehana eo amin’ny Kristianina. Ireo izay mijoro tsy azo hozongozonina eo anivon’ny tafiotry ny fanararaotana no iray amin’ireo maherifon’Andriamanitra.HAT 109.2

    Ny fifehezana ny fanahy dia ny fihazonana ny tena ho eo ambany fifehezana; fanoherana ny ratsy; ny fanamboarana ny teny sy ny asa rehetra hifanaraka amin’ny fenitra lehiben’ny fahamarinan’Andriamanitra. Izy izay nianatra ny hifehy ny fanahiny dia hitsangana eo ambonin’ny fanaovana tsinontsinona, ny fandavana tampoka tsy ampoizina, ny fanorisorenana, izay atrehintsika isan’andro isan’andro, ary hitsahatra tsy hanisy aloka eo amin’ny fanahiny.HAT 109.3

    Fikasan’Andriamanitra raha ny fahefana toy ny an’ny mpanjaka, ny fisainana nohamasinina, fehezin’ny fahasoavan’Andriamanitra no hery miasa mangina eo amin’ny fiainan’ny olombelona. Ireo izay mahafehy ny fanahiny no manana izany hery izany.HAT 110.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents