Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fisakaizana Kristianina

    Ny olana izay andraisanao anjara mavitrika dia hita eo amin’ny fiainanao isan’andro. Tsy tianao ve eo amin’ny fotoan’ny fitsapana ny hametraka ny fanirianao eo amin’ny laharan’ny teny voasoratra, ary amin’ny vavaka mafana hikatsaka an’i Jesôsy hanoro hevitra? Maro no milaza fa tsy mampaninona tokoa ny mandeha any amin’ny rindran-kira ka manao an-tsirambina ny fivoriana fiaraha-mivavaka, na tsy ho tonga amin’ireo fivoriana izay misy ireo mpanompon’Andriamanitra manambara ny hafatra avy any an-danitra. Ny azo antoka ho anao dia ny any amin’ny toerana izay nolazain’i Kristy fa hisy Azy.HAT 116.2

    Ireo izay mankasitraka ny tenin’i Kristy dia tsy hivily hiala amin’ny fiaraha-mivavaka, na amin’ireo fivoriana izay nanirahana ireo mpitondra hafatry ny Tompo mba hilazana amin’izy ireo ny zavatra mikasika ny tombontsoa mandrakizay. Hoy i Jesôsy: “Na aiza na aiza iangonan’ny roa na telo amin’ny anarako dia eo afovoany Aho.” Moa sahinao ve ny hifidy ny fahafinaretana ka tsy hahazo ny fitahiana? Ny fanaranam-po amin’izany zavatra izany no manana hery miasa mangina matanjaka tsy eo amin’ny fiainanao sy ny toetrao fotsiny ihany, fa eo amin’ny fiainana sy toetr’ireo izay miaraka aminao.HAT 116.3

    Raha ireo rehetra izay milaza ho mpanaraka an’i Kristy no ho toy izany tokoa eo amin’ny asa sy ny fahamarinana, dia ho nanana ny sain’i Kristy izy ireo, ho niasa ny asan’Andriamanitra. Ho nanohitra ny fakam panahy amin’ny fampanaranam-po ny tena izy ireo, ary ho naneho fa tsy mifaly amin’ny fahafinaretana maivamaivan’izao tontolo izao mihoatra noho ny tombontsoa amin’ny fihaonana amin’i Kristy eo amin’ny fivoriana hifaneraserana. Ho nanana hery miasa mangina mazava eo amin’ny hafa izy ireo, ary hitarika azy ireo hanaraka ny ohatra omen’izy ireo.HAT 117.1

    Miteny mafimafy kokoa noho ny teny ny asa, ary ireo izay mpitia ny fahafinaretana dia tsy mankasitraka ny fitahiana be dia be amin’ny fahatongavana eo amin’ny fiangonan’ny vahoakan’Andriamanitra. Tsy ankasitrahan’izy ireo ny tombontsoa amin’ny fampiasana hery miasa mangina amin’ireo namany amin’ny fandehanana miaraka amin’izy ireo, amin’ny fanantenana fa ho voakasiky ny Fanahin’ny Tompo ny fon’izy ireo. Iza no mandeha miaraka amin’izy ireo any amin’ireo fivorian’izao tontolo izao ireo? Tsy any i Jesôsy hitahy ireo izay mivory ao. Kanefa i Satana dia hitondra ao an-tsaina zavatra maro izay hanaisotra ny resaka mikasika ny tombontsoa mandrakizay. Tombontsoa hohararaotiny izany mba hanakorontanana ny marina amin’ny fampifangaroana izany amin’ny fahadisoana.HAT 117.2

    Amin’ny alalan’ny famonjena ny fivorian’izao tontolo izao no hiforonan’ny fitiavana lalao mampientanentana, ary mihamalemy ny herin’ny fitondran-tena. Ireo izay tia ny fahafinaretana dia mety hitazona ny endriky ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, kanefa tsy manana fifandraisana mamelona amin’Andriamanitra. Maty ny finoan’izy ireo, niala ny fahazotoany. Tsy mahatsapa enta-mavesatra ny hiteny amin’ny fotoany amin’ireo fanahy izay tsy ao amin’i Kristy izy ireo, ary hampirisika azy ireo hanome ny fony ho an’ny Tompo. - YI, Apr. 1912, ary koa ao amin'ny YI, 30 Mar. 1893.HAT 117.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents