Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 37 — Fahatokiana amin’ny Kely

    “Izay mahatoky amin’ny kely indrindra dia mahatoky koa amin’ny be.”HAT 118.3

    Ny fahalianana amim-pitandremana amin’ny teny lazain’izao tontolo izao ho “zavatra madinika” no mahatonga ny fiainana ho fahombiazana. Ireo asam-pitiavana madinika, asa kely feno fandavan-tena, fanononana teny tsotra ho fampaherezana, fiambenana amin’ireo fahotana madinika, izany no atao hoe fiainana kristianina. Ny fanehoam-pankasitrahana amin’ireo fitahiana isan’andro, fanatsarana amim-pahendrena ireo tombontsoa fanararaotra isan’andro, ny fikolokoloana amim-pitandremana ireo talenta nankinina, izany no takin’ny Tompo.HAT 118.4

    Ireo izay manatanteraka amim-pahatokiana ireo adidy madinika no ho voaomana hamaly ny fitakian’ireo andraikitra mivelatra kokoa. Ny olona izay tsara fanahy sy mahalala fomba eo amin’ny fiainana isan’andro, izay malala-tanana sy manam-paharetana ao amin’ny fianakaviany, izay ny fikendreny tsy miova dia ny hahasambatra ny tokantrano, no ho voalohany amin’ny fandavan-tena sy fanoloran-tena rehefa miantso ny Mpampianatra.HAT 119.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents