Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fiaraha-Miasa amin’Andriamanitra

    Raha eo am-piasana ho famonjena ny tenany ireo tanora ireo, Andriamanitra kosa miasa ao anatin’izy ireo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony. Aseho eto ireo fepetran’ny fahombiazana. Mba hahatonga ny fahasoavan’Andriamanitra ho antsika dia tsy maintsy manao ny anjarantsika isika. Ny Tompo tsy manoso-kevitra ny hanatanteraka ho antsika na ny fikasana na ny fanaovana. Nomena ny Fahasoavany mba hiasa ao anatintsika mba hikasa sy hanao, kanefa tsy natao mihitsy ho toy ny solon’ny ezaka ataontsika. Tsy maintsy fohazina mba hiara-miasa ny fanahintsika. Miasa ao anatintsika ny Fanahy Masina mba hahafahantsika miasa ho famonjena ny tenantsika. Izany no lesona fampiharana izay ezahin’ny Fanahy Masina ampianarina antsika. “Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony. ”HAT 122.3

    Hiara-miasa amin’ireo rehetra izay miezaka amin-kafanam-po sy fahamatorana ny ho mahatoky amin’ny asa fanompoana Azy ny Tompo, tahaka ny niarahany niasa tamin’i Daniela sy ny namany telolahy. Tsy vokatry ny kisendrasendra ny toe-tsaina tsara sy mahafinaritra na ny toetra ara-pitondran-tena ambony. Omen’Andriamanitra ireo toe-javatra azo hararaotina; miankina amin’ny fampiasana azy ireo ny fahombiazana. Tsy maintsy hofantarina mazava tsara haingana ary hidirana amin-kafanam-po sy fahamatorana ny fisokafan’ireo fitondran’Andriamanitra. Maro ireo mety ho tonga olona manam-pahefana, raha tahaka an’i Daniela, niankina tamin’Andriamanitra sy ny fahasoavany mba ho mpandresy, ary nangataka hery sy fahaizana mba hanaovana ny asan’izy ireo.HAT 123.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents