Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Asa Fanompoana amin’ny Fo Manontolo

    Miresaka aminao aho, ry tanora, aoka ho mahatoky. Ataovy amin’ny fo ny asanao. Aza manahaka ireo kamo, sy ireo manao asa fanompoana mizarazara. Ireo asa miverimberina matetika no mamorona ny fahazarana, ny fahazarana no mamorona ny toetra. Tanteraho amim-paharetana ireo adidy madinika eo amin’ny fiainana. Arakaraka ny anaovana tsinontsinona ny mahazava-dehibe ny fahatokiana eo amin’ireo adidy madinika no hahatonga ny fanorenana ny toetranao tsy hahafa-po. Manana ny lanjany ireo adidy rehetra eo imason’Ilay manana ny hery rehetra,. Hoy ny Tompo: “Izay nahatoky tamin’ny kely indrindra no mahatoky ihany koa amin’ny betsaka.” Tsy misy ny tsy tena ilaina eo amin’ny fiainan’ny tena Kristianina marina.HAT 123.2

    Maro ireo milaza ho Kristianina no miasa tsy mifankahazo amin’Andriamanitra. Maro ireo miandry asa lehibe hoentina eo aminy kanefa isan’andro dia manary ireo tombontsoa azo hararaotina hanehoana ny fahatokiany an’Andriamanitra; tsy mahomby amin’ny fanaovana amin’ny fo manontolo ireo adidy madinika isan’andro eo amin’ny fiainana, izay toa ohatra ny tsy mahaliana amin’izy ireo. Raha eo am-piandrasana ny asa lehibe izay ahafahany mampiasa ireo heveriny ho talenta lehibe ananany izy ireo, ary amin’izany dia manome fahafaham-po ny fanirian-daza mafy ananany, ny fiainany kosa mandalo dia lasa.HAT 124.1

    Ry tanora malalako, ataovy ny asa izay akaiky dia akaiky anao indrindra. Atodiho ny fijerinao ho amin’ny asa aman-draharaha tsotra sy tratry ny ezaka ataonao. Ataovy amin’ny fo sy ny saina io asa io. Tereo ny fisainanao mba hiasa amim-paharanitan-tsaina eo amin’ireo zavatra izay azonao atao ao an-tokantrano. Amin’izany no hahatonga anao ho sahaza ny hanao asa mahasoa bebe kokoa. Tsarovy izay voasoratra ny amin’ny mpanjaka Hezekia: “Ary ny raharaha rehetra izay natombony, (...) dia nataony tamin’ny fony rehetra, ka nambinina izy”.HAT 124.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents