Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 40 — Fampiasana ny Sitrapo

    Tsy maintsy mampiasa ny sitrapo ny fivavahana madio. Ny sitrapo no hery mifehy ny toetra voajanaharin’ny olona, mitondra ireo fahaiza-manao zavatra hafa rehetra eo ambany fanapahany. Tsy fitiavana izay heverina ho tsara na fironana ny sitrapo fa izy no hery mahatapaka izay miasa ao amin’ny zanak’olombelona ho amin’ny fankatoavana an’Andriamanitra na ho amin’ny tsy fankatoavana.HAT 126.2

    Ny Fiovaovana sy Fisalasalana

    Tanora marani-tsaina ianao, maniry aho ny hahatonga ny fiainanao ho mendrika ny lanitra amin’ny farany. Matetika no kivy ianao amin’ny fahitana ny tenanao malemy amin’ny hery ara-pitondran-tena, andevon’ny fisalasalana, ary fehezin’ireo fahazarana sy ireo fomban’ny fiainanao taloha tao amin’ny ota. Hitanao ireo toetry ny fihetseham-ponao fa mamadika anao, amin’ireo fanapahan-kevitra tsara indrindra noraisinao, sy ny fanekena nataonao tamim-boninahitra. Toa ohatra ny tsy tena izy ny zavatra rehetra. Ny fiovaovan’ny tenanao no mitarika anao hisalasala ny amin’ny fahatsoram-pon’ireo izay te hanao soa aminao. Arakaraka ny iadianao amin’ny fisalasalana no toa maneho aminao fa tsy tena izy ny zavatra rehetra, mandra-pahatonganao hahatsapa fa tsy misy fototra mafy ho anao na aiza na aiza. Toy ny tady natao tamin’ny fasika ireo teny fampanantenana nataonao, ary dinihinao amin’ny fahazavana tsy tena izy mitovy amin’izany ireo teny sy asan’ireo olona tokony hitokianao.HAT 127.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents