Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Tena Ilaina ny Fiezahana Manokana

    Nomen’Andriamanitra ny fitaovana, raha ampiasaintsika amim-pahazotoana sy fitandremana ary amim-bavaka, mba tsy hisy ho rendrika ny sambo, fa handresy ny tafio-drivotra sy ny ranonoram-baratra, ary amin’ny farany dia handatsaka ny vatofantsika any amin’ny seranam-pahasambarana. Fa raha manao tsinontsinona sy an-tsirambina ireny fanomezana sy tombontsoa ireny isika, dia tsy hanao fahagagana Andriamanitra mba hamonjena na dia ny iray amintsika aza, ary dia ho very tahaka an’i Jodasy sy i Satana isika.HAT 131.3

    Aza mihevitra fa hanao fahagagana Andriamanitra hamonjena ireo fanahy malemy mankafy faharatsiana, miaina ao amin’ny fahotana; na hisy hery mihoatra ny voajanahary ho tonga eo amin’ny fiainany, hanandratra azy ireo hiala ao amin’ny tenany ho amin’ny toerana ambonimbony kokoa, izay raha ampitahaina ho moramora kokoa ny asa, tsy misy fiezahana manokana, tsy misy tolona manokana, tsy misy fanomboana ny tena amin’ny hazo fijaliana; satria ireo rehetra varian-dalao eo amin’ny tanin’i Satana kanefa mihevitra ny hahavita izany dia ho levona miaraka amin’ny mpanao ratsy. Ho ringana tampoka izy ireo, ary tsy misy fanafana. - TM, t. 453.HAT 131.4

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents