Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Volavolain’ny Fitiavany

    Rehefa mitoetra eo amin’i Kristy ny saina, ny toetra dia volavolaina hanahaka ny an’Andriamanitra. Heniky ny fahatsapana ny Fahatsarany sy ny Fitiavany ny fisainana; Mandinika lalina ny Toetrany isika, ary amin’izany dia ao amin’ny fisainantsika rehetra Izy. Mandrakotra antsika ny Fitiavany. Raha mibanjina, na dia indray mandeha monja, ny masoandro amin’ny voninahiny amin’iny mitataovovonana iny aza isika, ka mampitodika ny masontsika hiala avy eo, dia hiseho eo amin’ny zavatra rehetra izay jerentsika ny sarin’ny masoandro.HAT 136.1

    Tahaka izany rehefa mibanjina an’i Jesôsy isika; ny zavatra rehetra izay jerentsika dia mitaratra ny Endriny, Ilay Masoandron’ny Fahamarinana. Tsy afaka ny hahita zavatra hafa isika, na hiresaka zavatra hafa. Vita pirinty ao amin’ny mason’ny fanahy ny Endriny, ary mahakasika ny ampahany rehetra ao amin’ny fiainantsika isan’andro, manalefaka sy mampilefitra ny toetsika manontolo. Amin’ny alalan’ny fibanjinana dia ampitovina hanahaka an’Andriamanitra isika, eny tahaka an’i Kristy aza. Mitaratra ny famirapiratana sy ny hatsaran’ny taratry ny Fahamarinany amin’izay rehetra miaraka amintsika isika. Manjary voaova ny toetsika, satria ny fo sy ny fanahy ary ny saina dia tarafin’ny taratra avy any Aminy izay tia antsika sy nanolotra ny tenany ho antsika. Eto indray dia mbola misy ihany koa ny fahatanterahan’ny hery miasa mangina velona ananan’ny tena manokana, mitoetra ao am-po amin’ny alalan’ny finoana.HAT 136.2

    Rehefa raisina ny Teny fampianarana omeny, ary mandray antsika ho fananany izany, dia fanatrehana mitoetra ho antsika i Jesôsy, mifehy ny fisainana sy hevitra ary ny asantsika. Nahazo tombontsoa tamin’ny fampianaran’ilay Mpampianatra lehibe indrindra tamin’ireo fantatr’izao tontolo izao isika. Ny fahatsapana ny maha-tompon’andraikitra ny olombelona sy ny hery miasa mangina avy aminy no manome endrika vaovao ny fahitantsika ny fiainana sy ny adidintsika isan’andro.HAT 136.3

    Zavatra rehetra ho antsika i Jesôsy, -ny voalohany, ny farany, ny tsara indrindra amin’ny zavatra rehetra. Jesôsy Kristy, ny Fanahiny, ny Toetrany, no manome endrika vaovao ny zavatra rehetra; izy no tenan-tenona sy lava-tenona, vaha mandrafitra ny tenantsika manontolo. Fanahy sy fiainana ny tenin’i Kristy. Koa amin’izany dia tsy afaka hampifantoka ny fisainantsika amin’ny tena isika, fa tsy isika intsony no velona fa Kristy no velona ato anatintsika. Mitaratra ny Endriny amin’ireo rehetra manodidina antsika isika amin’ny fibanjinana azy mitohy. Tsy afaka ny hijanona hihevitra ny fahakiviantsika, na dia ny hiresaka mikasika izany aza isika; satria sary mahafinaritra kokoa no manintona ny fijerintsika, -ny fitiavana sarobidin’i Jesôsy. Mitoetra ao anatintsika amin’ny alalan’ny teny fahamarinana Izy. - TM, tt. 387-390.HAT 137.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents