Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 46 — Fanatrehan’i Kristy Mitoetra

    Mihoatra noho ny famelana ny fahotana ny dikan’ny fivavahan’i Kristy; midika ho fanesorana ny ota izany, ary famenoana ny banga amin’ny fahasoavan’ny Fanahy Masina; midika ho fanazavana avy any an-danitra, fifaliana ao amin’Andriamanitra; midika ho fo nanafoana ny «izaho» ary voatahin’ny fanatrehan’i Kristy mitoetra. Misy ny fahadiovana, fahafahana amin’ny fahotana rehefa manjaka ao amin’ny fanahy i Kristy. Tanteraka eo amin’ny fiainana ny voninahitra, ny fahafenoana, ny fahatanterahan’ny drafitry ny filazantsara. Mitondra famirapiratan’ny fiadanana tanteraka, fitiavana tanteraka, antoka tanteraka ny fanekena ny Mpamonjy. Ny hatsara sy ny hanitr’i Kristy miseho eo amin’ny fiainana no manamarina fa naniraka ny Zanany tokoa Andriamanitra ho eo amin’izao tontolo izao ho Mpamonjy azy.HAT 142.1

    Namana isan’andro sy sakaiza mahazatra ho an’ireo Mpanaraka azy mahatoky i Kristy. Niaina tamin’ny fifampikasohana akaiky, fifandraisana mitohy tamin’Andriamanitra izy ireo. Misandratra eo amin’izy ireo ny voninahitry ny Tompo. Mamirapiratra eo amin’izy ireo ny fahazavan’ny fahalalana ny voninahitr’Andriamanitra eo amin’ny endrik’i Jesôsy Kristy. Ankehitriny izy ireo dia mifaly amin’ny tara-pahazavana eo amin’ny famirapiratany sy ny voninahitry ny mpanjaka eo amin’ny Fiandrianany. Voaomana ho amin’ny firaisana amin’ny lanitra izy ireo; satria ananany ao am-po ny lanitra. -COL, tt. 419-421.HAT 142.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents