Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fanoloran-Tena Tanteraka

    Hahatsara ny ankehitriny sy ny mandrakizay ho anao ny fanoloran-tena tanteraka ho amin’ny marina, mba ho fantatr’izao tontolo izao ny safidinao. Maro ireo tsy manolo-tena tanteraka ho an’Andriamanitra, hany ka lasa fahalemena ho azy sy vato mahatafintohina ho an’ny hafa ny fiovaovan’ny toerana misy azy. Rehefa tsy mampijoro fitsipika fototra ireo, satria tsy manolo-tena rahateo, dia paohin’ny onjan’ny fakam-panahy hiala amin’izay fantany fa marina izy, ary tsy manao ezaka masina akory handresy ny fahadisoana, hanatanteraka toetra masina amin’ny alalan’ny fahamarinan’i Kristy isaina ho azy.HAT 16.2

    Manana zo hahalala izay azo andrasana amin’ny tsirairay manan-tsaina izao tontolo izao. Ho hery velona amin’ny namany ireo izay mivelona amin’ny foto-kevitra tsy miovaova, matotra, sy marina; ary hisy fiantraikany amin’izy ireo ny fiainana kristianina ananany. Maro no tsy mahita sy tsy mahatakatra ny halehiben’ny hery miasa mangina avy amin’ny olona tsirairay, mitarika ho amin’ny tsara na ho amin’ny ratsy. Tokony ho fantatry ny mpianatra ny fahamarinan’izany, fa izay foto-kevitra ijoroany dia ho hery velona manamboatra ny toetrany. Izay manaiky an’i Kristy ho Mpamonjy ny tenany manokana dia ho tia an’i Jesôsy, sy ho tia ireo izay nanoloran’i Kristy ny ainy koa; fa ho loharano velona miboiboika hanome fiainana mandrakizay ao anatiny i Kristy. Hampilefitra ny fiainany tsy misy fepetra ambany fifehezan’i Kristy izy.HAT 17.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents