Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 47 — Fanabeazana Kristianina

    Mety ho tratry ny sain’olombelona ny kolontsaina ambony indrindra. Ny fiainana iray voatokana ho an’Andriamanitra dia tsy tokony ho fiainana ao amin’ny tsy fahalalana. Maro no miteny hanohitra ny fanabeazana satria nifidy mpanarato tsy nahita fianarana i Jesôsy hitory ny Filazantsarany. Ambaran’izy ireo amin’izany fa naneho safidy manokana amin’ny tsy nahita fianarana Izy. Maro ny olona nahita fianarana sy mendri-kaja no nino ny Fampianarany. Raha toa ka nankatò tsy amin-tahotra ny faharesen-dahatry ny feon’ny fieritreretany izy ireo dia ho nanaraka Azy. Ho nekena ny fahaiza-manao ananan’izy ireo, ary hampiasaina amin’ny asa fanompoana an’i Kristy, nanolotra izany va izy ireo. Nefa tsy nanana hery ara-pitondran-tena, teo anatrehan’ny mpisorona vinitra, sy ny mpanapaka feno fialonana, mba hanekena an’i Kristy izy ireo ary hanao kitoatoa ny lazany amin’ny fifandraisana amin’ilay Galileanina tsotra.HAT 143.3

    Izy izay nahalala ny fon’ny rehetra dia nahafantatra izany. Raha ny nahita fianarana sy ny mendri-kaja no tsy hanao ny asa izay nanofanana azy hataony, dia nifidy lehilahy izay ho mpankatò sy ho mahatoky amin’ny fanaovana ny Sitrapony i Kristy. Nifidy olon-tsotra Izy ary nampifandray azy ireo amin’ny Tenany, mba hahafahany manabe azy ireo hanohy ny asa lehibe eto an-tany rehefa handao izany izy.HAT 144.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents