Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 50 — Fanabeazana ho amin’ny Mandrakizay

    Nanoratra i Jaona: «Nanoratra taminareo zatovo aho, satria mahery hianareo, ary mitoetra ao anatinareo ny tenin'Andriamanitra, sady efa naharesy ilay ratsy hianareo.» Ary nampirisika an’i Timoty i Paoly hananatra ny tanora mba «hahonon-tena». Asandrato ny fanahinareo mba ho tahaka ny an’i Daniela, mpanompon’ny Tompon’ny maro mahatoky sy mijoro. Lanjalanjao tsara ny lalana halehan’ny tongotrareo; satria mijoro eo amin’ny tany masina ianareo, ary ny anjelin’Andriamanitra dia manodidina anareo.HAT 150.3

    Marina fa tokony hahatsapa ianareo fa tsy maintsy hananika ny farany ambony indrindra amin’ny zana-tohatry ny fanabeazana. Fianarana manana ny lanjany ny filôzôfia sy ny tantara; kanefa ny fanaovanareo sorona ny fotoanareo sy ny volanareo dia tsy hisy dikany raha toa ka tsy ampiasainareo ny zava-bitanareo ho voninahitr’Andriamanitra sy hanaovan-tsoa ho an’ny taranak’olombelona. Tsy misy dikany ny fahalalana ny siansa raha tsy atao ho tohatra hanatrarana ny fikasana ambony indrindra.HAT 150.4

    Tsy misy antony ny fanabeazana izay tsy manome fahalalana maharitra mandrakizay. Raha tsy mihazona ny lanitra sy ny hoavy ary ny fiainana tsy mety maty eo anoloanao ianao dia tsy misy lanjany maharitra ny zava-bitanao. Kanefa raha i Jesôsy no Mpampianatra anao, tsy indray mandeha amin’ny herinandro fotsiny, fa isan’andro, isan’ora, dia hahazo ny tsiky avy Aminy ianao amin’ny fikatsahanao hahazo ny fahalalana amin’ny haisoratra. - FCE, tt. 191,192.HAT 151.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents