Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Tombontsoan’ny Asa Mahasoa

    Ny tombontsoa lehibe indrindra dia tsy azo amin’ny fanatanjahan-tena izay heverina ho toy ny lalao na fampiasan-tena tsotra fotsiny. Misy tombontsoa ny eny amin’ny rivotra madio, ary koa ny fampiasana ny hozatra; kanefa aoka ny hery mitovy amin’izany hampiasaina amin’ny fanatanterahana asa mahasoa, ary dia ho bebe kokoa ny tombontsoa azo. Ho tratra ny fahatsapana fahafaham-po; satria izany fampiasan-tena izany dia hitondra miaraka aminy ny fahatsapana fa misy ilana azy ary ny fankasitrahan’ny feon’ny fieritreretana amin’ny adidy vita araka ny tokony ho izy.HAT 153.1

    Tsy tokony handao ny sekolintsika ny mpianatra raha tsy manana fanabeazana mahomby, koa rehefa tsy maintsy miantehitra amin’ny tenany izy dia hanana fahalalana izay azony ampiasaina, ary tena ilainy amin’ny fahombiazany eo amin’ny fiainany. Tena ilaina ny fianarana matotra sy amim-pahazotoana, tahaka izany koa ny fahamatorana sy fahazotoana eo amin’ny asa mafy. Tsy tena ilaina ny lalao. Ny fanokanana ny hery ara-batana amin’ny lalao dia tsy manampy amin’ny fananana saina voalanjalanja tsara. Raha ny fotoana ampiasaina amin’ny fampiasan-tena ara-batana, izay tsikelikely lasa tsy mahonon-tena, no ampiasaina amin’ny asan’i Kristy dia hitoetra eo amin’ny Mpiasa ny fitahian’Andriamanitra.HAT 153.2

    Ny fifehezan-tena amin’ny asa andavanandro, izay azo amin’ny fampiarahana ny asa vatana sy ny asa saina, dia hamamian’ny fieritreretana fa manofana tsaratsara kokoa ny saina sy ny vatana amin’ny fanatanterahana izay nokendren’Andriamanitra hataon’ny olona. Arakaraka ny ahafantaran’ny tanora tanteraka ny fomba hanatanterahana ireo adidy amin’ny asa andavanandro no hahazoany fifaliana bebe kokoa isan’andro isan’andro satria misy ilan’ny hafa azy ireo. Mihamivelatra ny saina nobeazina hankafy ny asa mahasoa; amin’ny alalan’ny fanazarana sy ny fifehezan-tena no mamboatra antsika ho mahasoa; satria nahazo fahalalana tena ilaina mba hahatonga ny manana azy ho fitahiana ho an’ny hafa.HAT 153.3

    Tsy nahita fotoana iray teo amin’ny fiainan’i Kristy aho izay natokany tamin’ny filalaovana sy fanalana andro. Izy no Mpanabe lehibe amin’izao fiainana izao sy amin’ny fiainana ho avy; kanefa dia tsy nahita aho na dia fotoana iray fotsiny aza izay nampianarany ny mpianatra mba hirotsaka an-tsehatra amin’ny lalao mba hahafahana mampiasa vatana (...)HAT 154.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents