Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 54 — Fiofanana amin’ny Asa Fanompoana

    Raha heverina ny fahamarinana izay nomen’Andriamanitra dia mahatalanjona fa vitsy ireo tanora lahy sy vavy izay mangataka manao hoe: «Tompo ô inona no tianao hataoko?» Fahadisoana mahatsiravina ny mihevitra fa raha tsy nanapa-kevitra ny hanolo-tena ho amin’ny asa fanompoana ny tanora iray dia tsy misy ezaka manokana takina aminy mba hahatonga azy ho mendrika ny Asan’Andriamanitra. Na inona na inona mety ho fiantsoana anao, tena ilaina ny hanatsaranao ny fahafaha-manao anananao amin’ny alalan’ny fianarana amim-pahazotoana.HAT 159.3

    Tokony hampirisihina ny tanora lahy sy vavy mba hankasitraka ny fitahiana nalefan’ny lanitra amin’ny tombontsoa fanararaotra ho tonga mahafehy tena tsara sy marani-tsaina. Tokony hohararaotiny ny tombontsoa amin’ny fananana sekoly izay najoro hikendry ny fizarana ny fahalalana tsara indrindra. Fahotana ny hakamoana sy ny tsirambina mikasika ny fahazoana fanabeazana. Fohy ny fotoana, koa noho izany dia ilaina bebe kokoa ny fampiasana ho amin’ny tsaratsara kokoa ireo fotoana mety sy tombontsoa azo hararaotina miseho satria ho avy tsy ho ela ny Tompo hamarana ny tantaran’ny tany.HAT 159.4

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents