Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Baiboly sy ny Siansa

    Ilaina ianarana isan’andro ny Soratra Masina ao amin’ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao. Ny fahalalana an’Andriamanitra sy ny fahendren’Andriamanitra dia tonga ao amin’ireo mpianatra izay mitozo amin’ny fianarana ny Fombany sy ny Asany. Ny Baiboly no natao ho fahazavantsika, mpanabe antsika. Rehefa mianatra ny hino ny tanora fa Andriamanitra no nandefa ny ando sy ny orana ary ny tara-masoandro avy any an-danitra, izay mahatonga ny zava-maniry handrobona; rehefa tsapany fa avy Aminy ny fitahiana rehetra, ary tokony ho Azy ny fisaorana sy ny fiderana, dia ho voatarika izy ireo hankasitraka an’Andriamanitra amin’ny lalany rehetra, ary hanatanteraka amim-pahatokiana ireo adidiny isan’andro isan’andro; ao amin’ny fisainany rehetra Andriamanitra (...)HAT 163.3

    Tanora maro, rehefa miresaka mikasika ny siansa, no miseho ho mahay mihoatra noho izay voasoratra; miezaka izy ireo ny hanazava amin’ny alalan’ny zavatra izay mety ho takatry ny fahalalany voafetra ny fomba sy ny asan’Andriamanitra. Tsy fahombiazana mahonena no vokatr’izany rehetra izany Mifanaraka tanteraka ny tena siansa marina sy ny avy amin’ny tsindrimandry. Zavatra mahaleotena tsy miankina amin’Andriamanitra ny siansa diso. Tsy fahalalana feno fihamboana izany.HAT 164.1

    Iray amin’ireo faharatsiana lehibe indrindra izay miaraka amin’ny fikatsahana fahalalana, ny fikarohan’ny siansa, dia ireo izay mirotsaka an-tsehatra amin’izany fikarohana izany matetika dia tsy mahita ny maha-avy amin’Andriamanitra ny fivavahana madio sy tsy nolotoina. Ireo olon-kendrin’izao tontolo izao dia miezaka ny hanazava, amin’ireo foto-kevitra siantifika, ny hery miasa manginan’ny Fanahin’Andriamanitra eo amin’ny fo. Ny fandrosoana kely indrindra amin’izany zotra izany dia hitarika ny saina ho amin’ny fisavorovoroan’ny fisalasalana. Zava-miafin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra tsotra fotsiny ny fivavahan’ny Baiboly; tsy misy sain’olombelona afaka hahatakatra izany amin’ny fahafenoany, ary ny fo tsy nohavaozina indray dia tsy afaka mihitsy hahatakatra izany.HAT 164.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents