Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 57 — Mametraha Filamatra Ambony

    Irin’Andriamanitra ny hampiasantsika ireo tombontsoa fanararaotra rehetra hahazoana miomana ho amin’ny Asany. Andrasany amintsika ny hampiasana ny herintsika rehetra ho amin’ny fanatanterahana izany, ary ny hahatsapan’ny fontsika mandrakariva ny fahamasinana sy ny maha-zava-dehibe mahatahotra izany andraikitra izany.HAT 166.2

    Maro amin’ireo izay nofanina hanao asa tsara indrindra no kely ny zava-bitany satria kely no ezahiny hatao. An’arivony no mamakivaky ny fiainana tahaka ireny hoe tsy manana antony lehibe izay ivelomany ireny, tsy misy filamatra ambony hotratrarina. Ny anton’izany dia manambany tena izy ireo. Nandoa ny vidy tsy manam-petra ho antsika i Kristy, ary araka izany vidy naloany izany no aniriany antsika hanome tombam-bidy ny tenantsika.HAT 166.3

    Aoka isika tsy hionona amin’ny fanatrarana ny filamatra ambany. Isika dia tsy mbola tonga eo amin’izay tokony hisy antsika na izay sitrapon’ Andriamanitra hisiantsika. Nomen’Andriamanitra hery hoenti-mandanjalanja isika, tsy hitomoe-poana, na hivarilavo hanenjika ny zavatra ambanimbany eto an-tany, fa hampivelarina hatramin’ny fara tampony izy ireny, hodiovina, sy hohamasinina sy atao izay hahamendrika azy, ary hampiasaina ho amin’ny fampandrosoana ny tombontsoan’ny Fanjakany.HAT 166.4

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents