Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fanompoana amin’ny Fo Manontolo

    Ny toe-tsaina sy foto-kevitra mitovy amin’izay hoentin’ny olona iray eo amin’ny asany andavanandro no hoentiny mandritra ny fiainany manontolo. Ireo izay maniry anjara asa hatao sy karama voafaritra tsara, ary manantena fa hahita asa mifanaraka tsara aminy ka tsy hohelingelenin’ny fanamboamboarana na fanofanana dia tsy mba olona nantsoin’Andriamanitra hiasa ao amin’ny asany. Ireo izay nianatra ny fomba hanomezana ny kely indrindra araka izay azo atao amin’ny heriny ara-batana sy aratsaina ary ara panahy dia tsy ho mpiasa izay azony handrotsahana ny fitahiany manana amby ampy. Mifindra amin’ny hafa ny ohatra izay omeny. Ny tombontsoan’ny tena no hery manosika sy mifehy azy. Ireo izay mila arahi-maso, sy tsy manao afa-tsy ny asa izay voatokana ho azy ihany dia tsy mba ho anisan’ireo izay tononina ho tsara sy mahatoky. Ny Mpiasa ilaina dia ireo izay maneho hery, fahitsiana, fahazotoana, ireo izay maniry hanao ireo zavatra rehetra izay ilaina ho vita.HAT 167.3

    Maro no lasa tsy mahavita ny tokony hataony amin’ny alalan’ny fandosirany ireo andraikitra noho ny fahatahorana ny tsy fahombiazana. Ary amin’izany no tsy hananany tombontsoa amin’ny fahazoana fanabeazana izay vokatry ny fanandramana, izay tsy azon’ny famakiana boky sy ny fianarana ary ireo tombontsoa hafa nananany omena azy ireo.HAT 168.1

    Afaka mamolavola ny toe-javatra ny olona, fa tsy tokony havela ny toe javatra no hamolavola ny olona. Tokony horaisina ho toy ny fitaovana hiasana ny toe-javatra. Isika no natao hifehy azy ireny fa tsy izy ireny no avela hifehy antsika.HAT 168.2

    Ny olona matanjaka dia ireo izay nahay nisedra fanoherana sy fanakanana ny amin’izay kasainy hatao. Tamin’ny alalan’ny fampiasany ny hery rehetra ananany no nahafahan’izy ireny nanaporofo fa fitahiana ho azy ireo ireny sakana ireny. Nahazo fahazakan-tena izy ireny. Ny zava-tsarotra sy ny fahaverezan-kevitra no nitarika azy hampiasa ny fahatokiana an’Andriamanitra, ary izany fijoroana tsy azo hozongozonina izany no nampivelatra ny heriny. - Ministry of Healing, tt. 498-500.HAT 168.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents