Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fidio ny Anjaranao

    Raha mba mahatsapa mantsy ny tsirairay fa tompon’andraikitra amin’izay ho anjarany rahatrizay izy! Ny hasambarana ho amin’izao fiainana izao, ary ny fiainana mandrakizay ho amin’ny hoavy dia eo an-tananao. Raha izany no safidinao, dia mety hanimba ny fisainanao sy ny fiteninao ary ny fanahinao ny hery miasa mangina avy amin’ireo namanao. Azonao atao ny mamaha ny fatoran’ny fitiavan-kanina sy ny filana, tsy manaja ny fahefana, manao fiteny tsy mendrika, ary mampidina ny maha-ianao anao amin’ny faraidiny. Hanimba ny hafa ny hery miasa mangina avy aminao, ary ho fototry ny fahaverezan’ireo izay tokony hoentina eo amin’i Kristy ianao. Hitondra ireo lavitra an’i Kristy, lavitra ny marina, lavitra ny fahamasinana, ary lavitra ny lanitra ianao. Amin’ny andro fitsarana, dia hanondro anao ireo very ka hilaza fa «Raha tsy ny hery miasa mangina avy aminy, dia tsy ho tafintohina aho ary tsy ho naniratsira fivavahana. Nanana ny fahazavana izy, fantany ny lalana mankany an-danitra. Tsy nahalala aho, ary jamba nizotra ho any amin’ny faharinganana.» Inona re no azontsika havaly ny fiampagana toy izany? Tokony handinika ny lalana itarihany ny fanahy ny tsirairay. Efa tazantsika ny fiainana mandrakizay, koa tokony ho amim-pitandremana fatratra no hiheverantsika ny lanjan’ny hery miasa mangina ananantsika. Aoka tsy hoesorintsika ao an-tsaina ny mandrakizay ary tokony hizatra hanontany tena mandrakariva isika raha ankasitrahin’Andriamanitra ny lalantsika na tsia. Inona no ho vokatry ny ataoko amin’ny sain’ireo tsy manana ny fahazavana sy porofo mikasika ny fahamarinana?HAT 19.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents