Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 59 — Andraikitra amin’ny Fahazoana Fanahy

    Andraikitra lehibe no mipetraka eo amin’ny tanora. Betsaka no andrasan’Andriamanitra amin’ny tanora izay miaina ao amin’izao taranaka ankehitriny izay itomboan’ny fahazavana sy ny fahalalana izao. Faniriany ny hampiasa azy ireo hanala ireo fahadisoana sy finoanoam-poana izay mandrakotra ny sain’ny maro. Natao hifehy tena izy ireo amin’ny alalan’ny fanangonana ireo fahalalana sy traikefa rehetra hatramin’ny bitika indrindra. Tazonin’Andriamanitra ho tompon’andraikitra amin’ireo tombontsoa fanararaotra rehetra omen’Andriamanitra azy izy ireo. Miandry ny fiezahana feno fitozoana avy amin’izy ireo ny asa eo anoloany, mba handrosoan’ny asa tsikelikely araka izay takin’ny fotoana.HAT 172.2

    Raha hanokana ny sainy sy ny fony ho amin’ny fanompoana ny Tompo ny tanora, dia mety hahatratra ny filamatra ambony amin’ny fahombiazana sy hahatonga azy hahasoa ny hafa. Izany filamatra izany no andrasan’ny Tompo hotratrarin’izy ireo. Ny fanaovana ny latsak’izany dia fandavana ny hampiasa hatramin’ny fara tampony ireo tombontsoa fanararaotra nomen’Andriamanitra. Ary hoheverina ho toy ny famadihana an’Andriamanitra izany, -tsy fahombiazana amin’ny fanaovana asa soa ho an’ny taranak’olombelona.HAT 172.3

    Inona no ataonao ry tanora malala mba hampahafantarana ny hafa ny maha-zava-dehibe ny andraisana ny tenin’Andriamanitra ho mpitari-dalana, ny hitandremana ny didin’ny Jehôvah? Moa ve ambaranao amin’ny alalan’ny ohatra sy ny fitsipika fa amin’ny alalan’ny fankatoavana ny tenin’Andriamanitra irery ihany no hahavonjy ny olona. Raha hanao izay azonao atao ianao, dia ho fitahiana ho an’ny hafa. Rehefa miasa mafy ho amin’ny tsara indrindra ny fahaiza-manao anananao dia hisokatra eo anoloanao ireo lalana sy tombontsoa azo hararaotina mba hanaovanao misimisy kokoa. - YI, 1 Jan. 1907.HAT 172.4

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents