Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 61 — Asa Ataon’ny Tena Manokana

    Ny asan’i Kristy amin’ny kapobeny dia firesahana mivantana amin’ny olona anankiray. Noheveriny tamim-pahatokiana tokoa ny fanahy iray mihaino azy, ary io fanahy iray io no nitondra tamin’ny olona an’arivony ny fahazavan-tsaina noraisiny.HAT 176.1

    Ny mpiasa nahita fahombiazana indrindra dia ireo izay niasa tamim-pifaliana amin’ny fanompoana an’Andriamanitra amin’ny zavatra madinika. Ny olombelona rehetra dia tokony hiasa amin’ny kofehin’ny tenany, ary manatsofoka izany amin’ny lamban’ny fiainana ary manohy ny fanenomana mba hahatanteraka ny sary ao amin’ny môdely (...)HAT 176.2

    Beazo ny tanora hanampy ny tanora; ary amin’ny fiezahana hanao izany asa izany, ny tsirairay dia hahazo fanandramana izay hanofana azy ho tonga mpiasa feno fanoloran-tena eo amin’ny sehatra lehibe kokoa. Fo an’arivony no mety ho tratra amin’ny fomba tsotra indrindra.HAT 176.3

    Ireo manam-pahaizana indrindra, ireo izay ahindrahindra sy ankalazaina ho lehibe eo amin’izao tontolo izao ary ny lehilahy sy vehivavy manan-talenta manokana dia matetika no mahazo famelombelomana amin’ny teny tsotra feno fanetren-tena ambaran’ny olona anankiray izay tian’Andriamanitra, izay afaka ny hiteny izany fitiavana izany amin’ny fomba tsotra sy mandeha ho azy tahaka izao tontolo izao izay afaka miresaka ny zavatra izay banjinin’ny sainy sy hamahanany ny tenany. Ireo teny, na dia voaomana tsara sy nodinihina tsara dia kely ny hery miasa mangina avy aminy; kanefa ny asa marina sy mahatoky ataon’ny zanakalahy sy zanakavavin’Andriamanitra eo amin’ny fiteny, na eo amin’ny fanompoana amin’ny zavatra madinika, natao tamin’ny fahatsorana tanteraka dia hanokatra ny varavarana izay nihidy nandritra ny fotoana ela tamin’ny fanahy maro. RH, 9 May 1899.HAT 176.4

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents