Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Hery Maninton’i Satana

    Ny hanao ity izao tontolo izao ity ho tena manintona no tanjon’i Satana. Manana hery manintona izy, izay ampiasainy mba hisarihana ny fitiavan’ny olona, eny, fa na dia ireo milaza azy ho mpanara-dia an’i Kristy aza. Betsaka ireo milaza azy ho Kristianina no manao ny sorona rehetra ilaina mba hahazoana harena, ary arakaraka ny hahombiazany eo amin’ny fahazoany izay iriny, no tsy iraharahany ny fahamarinana sarobidy sy ny fandrosony eto amin’ity izao tontolo izao ity. Nariany ny fitiavany an’Andriamanitra, ary mitondra tena tahaka ny olona adala ireo. Arakaraka ny anambinana azy eo amin’ny harena ara-materialy, no tsy ampiasany intsony ny volany eo amin’ny asan’Andriamanitra.TF 233.1

    Ny asan’ireo izay mamboly fitiavan-karena adaladala dia maneho fa tsy vita mihitsy izany manompo tompo roa izany, dia Andriamanitra sy i Mamôna. Asehony eo anatrehan’izao tontolo izao fa ny vola no andriamaniny. Ny heriny no nomen’izy ireo haja amam-boninahitra, ary amin’ny fikasany rehetra sy ny tanjony dia manompo izao tontolo izao izy ireo. Lasa hery mifehy azy ireo ny fitiavam-bola, ary mba hahazoana izany dia dikainy ny lalàn’Andriamanitra. Mety milaza izy ireo fa manaraka ny fivavahan’i Kristy, nefa tsy tiany ny foto-keviny, ary tsy henoiny akory ny fampitandremana avy aminy Atolony mba hanompoana izao tontolo izao ny heriny tsara indrindra, ary dia miankohoka eo anatrehan’i Mamôna izy ireo.TF 233.2

    Tena manaitra ny mahita fa maro no voafitak’i Satana. Tairiny amin’ny vinavina mamirapiratra ny hahazo harena eto an-tany ny saina, ary dia lasa revo tokoa ny olombelona. Dia mieritreritra izy ireo fa misy vinavim-pahasambarana tonga lafatra eo anoloan’izy ireo. Voasodokan’ny fanantenana hahazo voninahitra sy harena ary toerana ambony izy ireo. Hoy i Satana amin’ny fanahy: “Homeko anao ireo rehetra ireo, ny fahefana sy ny harena rehetra, izay azonao ampiasaina mba hanasoavana ireo mpiara- belona aminao”. Rehefa azo anefa ilay zavatra nokatsahina fatratra, dia hitan’izy ireo fa tsy mifandray intsony amin’ilay Mpanavotra feno fandavan-tena izy ireo; tsy mpiray amin’ny fomban'Andriamanitra izy ireo. Miraikitra amin’ny harena eto an-tany izy ireo, ary manao tsinontsinona ny zavatra takin’ny fandavan-tena sy ny fahafoizan-tena ary ny fietrena noho ny amin’ny fahamarinana. Tsy manana faniriana izy ireo ny hisaraka amin’ny harena malalany eto an-tany izay andrian’ny fony. Niova tompo izy, ka nanaiky ny hanompo an’i Mamôna fa tsy i Kristy. Azon’i Satana ho an’ny tenany tamin’ny alalan’ny fitiavana ny haren’ny tany ny fiankohofan’ireo fanahy voafitaka ireo.TF 234.1

    Matetika no hita fa ny fiovana avy amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra ho amin’ny toetra araka izao tontolo izao dia tena natao tamin’ny fomba nisoko mangina tokoa, tamin’ny alalan’ny fanisihan-kevitra feno hafetsena nataon’ilay ratsy, hany ka tsy tonga saina akory ilay fanahy voafitaka fa efa nisaraka tamin’i Kristy, ary mpanompony amin’ny anarana fotsiny ihany sisa izy - RH, 23 Sept. 1890.TF 234.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents